Mampiasa ny teknikam-pambolena vary Papriz ny 80%-n’ny tantsaha any Ilaka Centre. Miroborobo koa ny seha-pihariana tantely any Kianjandrakefina. Mpamboly sady mpiompy avokoa ny 80%-n’ny mponina any amin’ny kaominina Ilaka Centre sy Kianjandrakefina, samy ao anatin’ny distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Laharam-pahamehana ho an’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona […]
Toe-karena
Toekarena manga: tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena
Natao omaly 2 febroary, teny Ampandrianomby, ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) sy ny Banky iraisam-pirenena. Nanatanteraka izany ny teknisiana avy amin’ny roa tonta, niresaka ny voarakitry ny Paikadim-pirenena ny toekarena manga eto Madagasikara. Anisan’ny nisongadina ao anatin’ity paikadim-pirenena ity ny fisian’ny komity marolafy mandrindra […]
Orinasa Star: Kojakojan-trano ho an’ny sekoly 5
Na eo aza ny maha orinasa ny Star, misy ny tetikasa manokana ho an’ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE). Ao anatin’izany ny fanampiana ny traboina sy ny hanarenana ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza Alvaro farany teo, any amin’ny kaominina sady distrika Morombe, faritra Atsimo Andrefana. Sekoly dimy, ny EPP Tsinjorano, […]
Minisitra Fomendraza Haingo Elisette: naneho firaisankina tetsy amin’ny HJRA
Nitsidika sy namangy ilay tovovavikely vao 5 taona monja naolan’ny zokiny ka manaraka fitsaboana etsy amin’ny HJRA, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Marary sy mijaly izy, simba ny hoaviny, mampalahelo satria zokiny lahy 21 taona no nanao izany. Rehefa naheno izany ny […]
Fametahana lalana rarivato Hanofana tanora 800 ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa
Miteraka rohim-pihariana ny famakiana vato ka ho lasa asa fiveloman’ny tanora vita fiofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hisitraka fiofanana avokoa ny faritra rehetra hitondra fampandrosoana amin’ny fanatsarana ny lalana ho lasa rarivato (pavé). Manana toerana ahitana vato betsaka i Madagasikara. Azo havadika ho rarivato, hanamboaran-dalana izany ka […]




