Mitohy hatrany ny hetsika fizarana fitaovana, ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga. Notanterahina tany amin’ny faritra Boeny, ny fizarana fitaovam-piarovana an-dranomasina na “kit de sécurité en mer”. Nahazo ny anjarany ny mpanjono miisa 100, tao amin’ny fokontanin’i Antsohery. Hetsika izay notontosain’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga […]
Toe-karena
Ambatovy: nanome rano fisotro madio
Noho ny tetikasa iray novatsian’Ambatovy vola 212 tapitrisa ariary mahery. Mponina 450 mahery avy amina tokantrano 101 monina ao amin’ny vohitra enina manodidina ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy, ao Moramanga no misitraka rano fisotro madio ankehitriny. Nametrahana paompy folo tao amin’ny tanànan’Ampielemana, Ankazotokana, Ambatomain-ty, Ampangadiatrandraka, Behontsa ary Berano. Natao ny 15 desambra 2022 […]
vidim-piainana: antony avy any ivelany no mampidangana azy
Namoaka ny vinavinany ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola momba ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny volana jiona 2022. Taorian’ny fandanian’ny depiote ny tetibolam-panjakana 2022 nasiam-panitsiana no nivoahan’izany. Manamafy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola fa noho ny antony avy any ivelany no tena nampidangana ny vidim-piainana. Izany dia noho i Madagasikara […]
Tsenan’Analakely : mandeha ny varotra « t-shirt »
Manomboka mafana ny andro eto AntananArivo. Ifandrombahan’ny olona rehetra ny fividianana akanjo manify, toy ny “t-shirt”, eny Analakely. Araka ny fanadihadiana, natao omaly, mahalafo “t-shirt” maherin’ny 50 eo ny olona iray amin’izao volana desambra izao. Manodidina ny 7 000 Ar hatramin’ny 25 000 Ar, ny vidiny iray amin’izany. Hita eny avokoa ny […]
Manambolo (tohiny) : tanjon’ny WWF ny hanampiana ireo mpanjono sy VOI
Maherin’ny 50 taona ny WWF eto Madagasikara, mahita ny antsipiriany ny tokony hatao momba ny fiarovana ny tontolo iainana, ny biby sy ny zava-maniry amin’ny toerana misy azy : ala, ranomamy, ranomasina. Noho izay asany izay, antenaina hitombo 10 % ny vokatry ny jono azo ary ho tsara tahiry. Tanjona apetraky […]