Tao anatin’ny herintaona, nahatratra 817 096 940 tapitrisa Ar ny vidin’ireo entana lany daty nodoran’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny indostria. Tsy fanajana ny fenitra tokony arahina ho an’ny mpanjifa, tafiditra anatin’ny tanjona napetrak’ity ministera ity ny famongorana ireo entana ireo. Anisan’ny karazan’entana sarona niparitaka saingy efa lany daty ny paty, […]
Toe-karena
Inde sy Madagasikara: miara-miasa ho fampandrosoana ny sehatra indostria
Mifanome tanana amin’ny fampiroboroboana ny Taninketsa Indostrialy i Inde sy Madagasikara. Nandray ny masoivoho vaovaon’i Inde, SE Bandaru Wilsonbab, ny minisitra Razafindravahy Edgard, misahana ny fampiroboroboana ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC) ny 29 desambra2022. Tsapan’ny ministra Edgard Razafindravahy tamin’ny fitsidihany tany an-toerana, ny lanjan’ny fandrosoan’ny firenena indiana […]
Ihosy : hanamboarana tsena ireo mpivarotra trondro
Nanomboka avy hatrany ny fametrahana vato fototra, ny fanombohan’ny fotodrafitrasa ahitana tsena ho an’ireo mpivarotra trondro, tao amin’ ny kaominina Ihosy. Hetsika fanehoana, izay notanterahin’i Mahatante Paubert, Minisitrin’ny Jono sy ny toekarena manga, ny asabotsy 24 desambra lasa teo. Araka izany, hahazo toeram-pivarotana trondro manara-penitra ny mpivarotra sy ny mpanjifa. […]
Dabolava, distrikan’i Miandrivazo : tsy fantatra ny volamena nivoaka nanomboka ny 2019
Tsy mitondra vola miditra ao anatin’ny kaominina Dabolava, faritra Menabe, ny volamena trandrahina ao an-toerana, hoy ny ben’ny tanàna Rakotonandrasana Jeanson. Tsy misy tamberim-bidy ho an’ny kaominina izany, noho izay tsy misy fanarahina izay, ka tsy ahafahana manao tamberin’andraikitra isan-karazany. Ratsy dia ratsy ny lalana ifandraisan’ny kaominina, sekoly tsizarizary … […]
CCI-Atsimo Atsinanana : nahazo filoha vaovao
Hitantana ny Antenimieran’ny varotra sy Indostria (CCI) ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, i Razafitianamalala Murielle, taorian’ny fifidianana ny alarobia teo. Nandritra ny fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny birao hitantana ny CCI ao an-toerana, nametraka ny fitokisany tamin’ity mpandraharaha anisan’ny manana ny maha izy azy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ity. […]