Toe-karena

Fifanakalozam-bola : maherin’ny 6 000 ny Cash point an’ny MVola

Maro ny zava-bitan’ny orinasa MVola fa tsy vitsy koa ny ezaka hotohizana. Nilaza ny tale jeneraly (CEO), Louis Olivier Favot, fa anisan’ny voalohany nahazo ny satan’ny fifanakalozana ara-bola amin’ny maha banky, ny MVola tamin’ny taona 2023. Sangany amin’ny lafiny fifanakalozam-bola niomerika ity orinasa ity. Notsorin’ny mpitantana ny MVola, fa sangany […]

Madagasikara-Sina : hotohizana ny fiaraha-miasa

Nihaona teny Anosy, ny talata teo, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, sy ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny masoivo­hon’ny repoblika Sina eto Madagasikara, Zhang Wei. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena sinoa sy ny minisitera izay hifantoka ami­na teboka efatra. Hotohizana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa […]

Raharaha andramena: fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014

Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana (DGD), Lainkana Zafivanona, fa fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014 ilay raharaha andramena tany Tanzania. Filoha miara-mitantana ny fifanarahana hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ihany koa ny tenany. Nisy andramena avy aty Madagasikara tratra ta­ny amin’ny seranan-tsam­bon’i Mombassa (port d’éclatement) any Kenya, natao tanaty kaontenera miisa 34 […]

Madagasikara sy Maorisy: hamafisina ny fifanakalozana

Hampiroboroboina ny fifanakalozana ara-barotra, sy ny fampiasam-bola ary ny tontolon’ny fandraharahana eo amin’i Madagasikara sy Mao­risy. Ireo ny tanjona napetraka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny  Chambre de commerce et d’industrie France Madagascar (CCIFM)  sy ny Chambre de commerce et d’industrie France Maurice, omaly, tetsy Ankorondrano. Ho fampandrosoana ny toekarena sy […]

Fifanakalozana : hiara-hiasa i Mayotte sy Madagasikara

Tonga nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, omaly, ny delegasiona avy amin’ny vondrona MADINTEX. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fifandraisana ana habakabaka sy an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy ny Nosy Mayotte. Niompana betsaka teo amin’ny sehatry ny toekarena sy sosialy ny dinika. Tanjona ny hampiroboroboana […]