Toe-karena

Andalana hirodana ny harena an-kibon’ny tany

Na izany aza, namoaka fanehoan-kevitra ny vondrona mpandraharaha amin’ity se­hatra ity ny taona 2022. No­tsorin’izy ireo, fa « eo andalana hirodana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ». Efa nisy fotoana nanairan’izy ireo, fa tsy voahaja ny lalàna, tsy mivoaka ny taratasy fahazoan-dalana, efa ho 13 taona izao. Nasongadin’ny mpandraharaha ao anatin’ilay […]

Harena an-kibon’ny tany: tokony hitondra fampandrosoana, saingy maro ny sakana

Voasoratra mazava ao anatin’ny Drafitrasa hisandratan’i Madagasikara (PEM), fa sehatra lehibe hisarihana ny mpampiasa vaola vahiny (IDE), hitondra fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Etsy ankilany anefa, mitsotra ny mpandraharaha fa mifanohitra amin’izany ny zava-misy, toy ny tsy fivoahan’ny fahazoan-dalana, ny fihantonan’ny asa fitrandrahana ho an’ireo mpampiasa vola efa eto an-toerana. […]

Instat- « Saps » : latsakemboka 1 miliara Ariary mahery tsy voaloa

Mandalo fahasahiranana ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antontanisa na ny Instat. Tsy voaefan’izy ireo ny trosan’ny Cnaps, mitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa ariary. Anisan’ny noresahana io, nandritra ny fivoriambe izay nataon’ny sendikan’ny mpiasa rehetra eo amin’ny Instat (Saps), teny Anosy, omaly. Tsiahivina fa tsy voaloan’ny Instat ny latsakemboka Cnaps nanomboka […]

Tetikasa OBS-Mada : tanora 10.000 nitondra fiovana

Antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny tsy fananan’ny tanora asa. Napetraka ny tetikasa OBS-Mada, mikendry ny tanora hanamafy ny fahaiza-mitarika, mba ho lasa mpivoy filaminana eny amin’ny fiarahamonina. Manohana ara-bola azy ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hanamafisana orina ny fandriampahalemana (PBF), eo ambany fiahin’ny minisiteran’ny Fanatan­jahatena sy ny tanora, tantanan’ny Pnud […]