Toe-karena

Olan’ny Jirama: efa mandeha ny andrana amin’ny gropy G4 Andekaleka

Nanomboka ny herinandro lasa teo ny andrana ny gropy fahefatra G4 any Andekaleka, nampifandraisina amin’ny Tambajotra iraisan’Antana­na­rivo (RIA). Taorian’izany, natolotra, omaly, ny fampahafantarana ny fampihodinana ny fitaovana sy ny milina, mi­ainga avy any Andekaleka mankany Ambohimanambola. Manana tanjaka 30 MW ny gropy G4, izay vao napetraka any Andekaleka. Ma­na­na tanjaka […]

Ambatomaro sy ny manodidina: niverina amin’ny ampahany ny rano

Nahazo rano ny ampahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, manodidina ny banky SG Madagasikara eny Ankadindramamy, nanomboka ny asabotsy 10 desambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Vahaolana vonjimaika no nataon’ny Jirama, nitarika rano avy any amin’ny faritra manodidina, satria simba ny milina mampiakatra rano (sur presseur) eny Ambatomaro. […]

Iray Volana nomerika: mitaky fitaovana teknolojia vaovao

Nandritra ny volana no­vambra, nifarimbona ny eo anivon’ny talem-paritra miisa enina eo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fi­fandraisan-davitra (MNDPT)* eto Analamanga, Mahajanga, Toliara, Fiana­rantsoa, Toama­sina ary Antsi­ranana, izay na­natontosana ny hetsika «Vo­lana nomerika» (Mois du nu­mérique). Nianaka nanerana an’i Madagasikara ny […]

Ady amin’ny kolikoly : nankalazaina ny Andro iraisam-pirenenana

Anisan’ny hetsika tafiditra anatin’ny velirano faha­telo napetrak’Andriamatoa Rajoe­lina Andry, Filohan’ny Re­poblikan’i Madagasikara, ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady amin’ny kolikoly. Ton­ga ni­tarika ny fankalazana ny faha 20 taonan’izany hetsika izany, i Mahatante Pau­bert, minisitry ny Jono sy ny Toe-karena manga (MPEB),teny Ampan­dri­nom­by, omaly. To­ga na­natrika izany koa ny mpanolon-tsaina […]