Toe-karena

Tsy fahampian’ isa : misahana 28.000 ha ny teknisianin’ala iray

Tsy mahasahana ny ve­laran-tany rakotra ala raha ny isan’ny teknisianina eo amin’io sehatr’io ho an’i Mada­gasikara. Mian­draiki­tra velaran’ala 28.000 Ha ny teknisianina iray raha toa ka tokony 250 Ha izany. “Misy ireo toerana izay sarotra tantanina noho io tsy fahampian’ny isa io”, hoy ny mpandrindra na­sionaly eo anivon’ny Mi­nis­­teran’ny tontolo […]

Ady amin’ny Kolikoly : ady tany no itoeran’ny fisolokiana be indrindra

Nankalazaina omaly 9 de­sambra 2022 ny Andro iraisam-pirenena ny ady amin’ny kolikoly. Nanen­tana sy nanamafy izany ady izany ny CSI * ho fantatry ny rehetra ka nanokana famelabelaran-kevitra amina lohahevitra « ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny fanajana ny zon’olombelona ». Noresahina : ady tany eny amin’ny fitsarana, nataon-dRtoa Rakoto­be Nelly, mpitsara ; momba […]

Fananan-tany : mampanahy ny fokonolona ny didim-pitsarana sy ny lafiny lalàna

Saika ahitana olana avokoa manerana ny faritra maro, ary anisan’ny tena fototry ny olana ny famoahana didim-pitsarana. Eo koa mikasika ny lalàna mifehy ny fananan-tany, toy ny sata mifehy ny tany navelan’ny mpanjanantany, izay tokony efa miverina amin’ny fanjakana ary hisitrahan’ny mponina nanajary. Mahatsapa ny fikambanana Sehatra iombonana ho an’ny […]

KFW -MNP : fanampiana ireo mponina manodidina ny faritra arovana

Natao omaly tao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny sonia teo amin’ny banky alemaina KFW sy ny fanjakana malagasy, nosolo­in’ny minisiteran’ny Toekare­na sy vola ary ny MNP, eo am­bany fiahian’ny minisiter­an’ny Tontolo iainana. 12 tapitrisa euros, dingana faha-5 izao azo avy amin’ny banky KFW izao hanohanana sy hitantanana ireo faritra arovana (Madagascar […]