Tsy mionona amin’ny fiarovana ny ala fotsiny ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsinjovina koa ny hitondra fampandrosoana hanatsarana ny fiveloman’ny mponina. Anisan’izany ny fandaharanasa PLAE. Hisehatra amin’ny famokarana, fiarovana ny ala voajanahary sy fampihenana ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampiroboroboana ny toekarena eny ambanivohitra ny fandaharanasa PLAE* andiany […]
Toe-karena
Tsena iraisam-pirenena : miara-miasa i Madagasikara sy i Royaume-Uni
Miompana amin’ny fifandraisana ara-barotra, ny jono ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena ho an’ny fampandrosoana ny fifanarahan’i Madagasikara sy i Royaume-Uni. Nankatoavin’ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza, nandritra ny fivoriambe natao ny alatsinainy teo, ny fanohizana ny fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra amin’i Royaume-Uni. Lany tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna fankatoavana ny fidiran’i Madagasikara ao […]
Star : fizarana bodofotsy ho an’ny sahirana
Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena ny Star, manana tetikasa koa izy amin’ny maha tompon’andraikitra amin’ny sehatry ny sosialy (RSE). Manao hetsika fanampiana sy tolo-tanana amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena sady fiatombohan’ny vanim-potoana ririnina izao. Nizarana lamba firakotra mafana, bodofotsy, maimaimpoana ny fianakaviana sahirana eny amin’ny fokontany miisa 10 eto Antananarivo, niarahan’ny […]
Fivoaran’ny natiora : miova ny rohy voahary rehefa miova ny tontolo iainana
Natao tany Ampefy, ny 6, 7 ary 8 jona 2023 teo, ny atrikasa teo amin’ny mpahay siansa sy ny mpanao gazety, ao anatin’ny tetikasa Varuna. Anisan’ny noresahana, ny anton’ny fikarohana mikasika ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina ankapobeny. Mifampiankina foana ny fivoaran’ny endriky ny tontolo mananaina, rehefa miova ny rohy […]
Fihariana jirofo : 40 000t naondran’i Magadasikara
Fahombiazana tanteraka ny seha-pihariana jirofo tamin’ity taona ity. Tafakatra 40 000t ny vokatra naondran’i Madagasikara raha 25 000t talohan’io. Nahatratra 224 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ity vokatra ity. « Mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana jirofo ny firenena malagasy raha faharoa isika amin’ny famokarana aorian’i Indonezia », hoy ny minisitry […]




