Toe-karena

Ankatoky ny fety: tsy nisy niova ny ankabeazan’ny vidin’entana

Nijanona amin’ny vidiny mahazatra ireo enta-madinika sy kojakoja fampiasa andavanandro. Na izany aza, efa 800Ar sahady ny vidin’atody. Andro vitsy mialohan’ny fety isika izao. Tsy nahitana fiovana firy ny vidin’ny enta-madinika fampiasa andavanandro. Na teo aza ireo fiakarana tamin’ny fiandohan’ny taona, ankehitriny tsy nahitana fiovana firy ny vidin’entana eny an-tsena. […]

Faritra Androy : nisitraka tetikasa avy amin’i Japon sy ny Firenena Mikambana

Nitsidika ny faritra Atsimon’ny Nosy, ny masoivohon’i Japon sy ny mpandrindra voalohany eo anivon’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. Anton-dian’izy ireo ny hijery mivantana ny fiantraikan’ny tetikasa nataon’izy ireo any an-toerana, izay vatsian’ny va­hoaka japoney vola. Maro ny tetikasa vita (ny lalana, teo anela­nelan’Ankirihiry sy Andrag­na­ra, tao […]

Analanjirofo : Kaominina 100 hisitraka ny tetikasa Rindra

Fanamafisana ny fampitondrana eto Madagasikara. Fametrahana ny tany tan-dalàna sy seha-panjakana mangarahara. Fanajana ny zon’olombelona. Fitantanana mifantoka amin’ny fahamarinana mba ho andrimpanjakana mampihatra ny tamberin’andrakitra ho an’ny olom-pirenena mampivoatra ny demokrasia. Ireo ny voalaza fa sehatra hiasan’ny tetikasa Rindra nandritra ny atrikasa natao, nandritra ny telo andro tao amin’ny faritra […]

Banky foiben’i Madagasikara : volamena 1 080 kilao navadika hanan-danja ara-bola

Naseho, omaly, teny Antaninarenina, ny vola volamena 50 Ar, entina hanamarihana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Naseho nandritra ny hetsika ihany koa ny birikim-bolamena malagasy voalohany milanja 12.5 kilao namboarina tany Istanbul. Vita ny famadihana ny volamena voadio (or doré) novidin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho lasa hanan-danja […]