Maika ny fanarenana ny lalam-pirenena eto amintsika. Anisan’izany ny RN 2 izay tsy maintsy arindra ny fifamoivoizana satria maro ny fiara mivezivezy aminy. Miisa roa ny orinasa manao ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Nisy fivoriana notarihin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka […]
Toe-karena
Nosy-Be : mpizahatany 2 000 tonga isan-kerinandro
Manomboka miverina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany ao Nosy-Be, roa taona taorian’ny krizin’ny Covid-19. Ankehitriny, mahatratra 2 000 isan-kerinandro ireo mpizahatany tonga mitsidika sy miala sasatra ao amin’ity nosy manitra ity, araka ny tatitry ny ofisim-paritry ny fizahantany ao Nosy-Be (ORTNB). Feno, manaraka izay, koa ny trano fandraisam-bahiny any an-toerana. […]
« Tetikasa Miary digital » : tapitra anio ny fisoratana anarana
Mifarana androany ny fisoratana anarana amin’ilay tetikasa « Miary Digital » natao ho an’ireo tanora mandraharaha eo amin’ny sehatry ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Hanomboka ny sivana ho an’ireo mahafeno ny fepetra takina, ka hahazo famatsiam-bola 5 000 ka hatramin’ny 15 000 dolara, ireo start-ups mendrika indrindra. Tanjon’ny […]
Anjozorobe : nametrahana ozinina mpanodina soja sy voanjo
Hampiakatra avo ny toekarena sy ny fiharian’ny tantsaha ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe ny fahazoana ozinina mpanodina soja sy voanjo. Hihena ny fanafarana menaka avy any ivelany. Mitohy hatrany ny politikam-panjakana amin’ ny fampiroboroboana ny tetikasa “One disctict one factory, (odof)” na ny fametrahana ny taninketsa indostrialy. Nametrahana ozinina mahatoto akora […]
Orange Madagascar: tonga ao Manakara ny Wifiber
Rivo-baovao ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fandraharahana ao Manakara ny Wifiber. Tonga ao amin’ny faritra Vatovavy sy Fitovinany, ny herinandro teo, nitondra io tolotra io ny ekipan’ny Orange Madagascar, notarihin’ny tale jeneraliny, Frédéric Debord. Nohainoana nandritra izany ny filan’ireo mpandraharaha sy mponina ao an-toerana enti-mampandroso ny asa fivelomany. […]





