Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro lavareny ao Toamasina. Tsy araka ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitry ny jirama intsony ny zava-misy, izay nilaza fa adiny roa isan’andro ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny, tapaka intelo isan’andro izany ka maharitra adin’ny efatra anatin’ny iray andro. “Ao amin’ny fokontany Morafeno sy ny manodidina, tapaka tamin’ny 2 ora latsaka […]
Toe-karena
Tetibolam-panjakana-2024: ho jerena ny filan’ny mponina eny ifotony
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ao Taolagnaro ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra, hanangonana ny hetahetan’ny mponina eny ifotony. Atao ity hetsika ity hamadihana izany ho drafitrasa sy hampidirina anatin’ny lalàna fototra mifehy ny tetibola 2024. Nisokatra nanomboka ny zoma teo ao Taolagnaro, faritra Anosy, ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra (conférence budgétaire régionale, CBR) […]
Tolotra Ortana : fitsidihana ny farihin’ i Tsiazompaniry
Mitohy ny tolotra vaovao hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, karakarain’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana). Toerana azo tsidihina indray ny farihin’i Tsiazompaniry, 90 km any atsimo atsinanan’ Analamanga. Ho hita amin’ izany ny hakanton’ny zavaboahary mandritra ny dia eny an-dalana amin’ny fiara, ny fambolen’ny mponina, ny tsena isan-kerinandro, isaky ny […]
Seranan’i Nosy Be: volamena 2,958 kilao nafenina tanaty finday
Mitohy ny trafika ! Tratran’ny mpiasan’ny ladoany any amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be ny brikim-bolamena miisa efatra milanja 2,958 kilao, ny sabotsy 29 avrily teo. Nahatrarana azy ny mpandeha vehivavy malagasy iray saika handray ny zotra ET 836, an’ny kaompania Ethiopian Airlines. Natao fisavana fanindroany ity olona ity, ka nafeniny tanaty finday […]
Faritra arovana Boeny: famatsiam-bola maharitra sanda ara-toekarena
Tafatsangana tamin’ny volana avrily teo ny Vovonana iraisan’ny mpitantana ny faritra arovana any amin’ny faritra Boeny (PGAPB). Anisan’ny nampahafantarina ny sanda ara-toekarena any amin’ireo faritra arovana (AP), mba entina hitondra fampandrosoana, fa tsy mionona amin’ny fiarovana na fandrarana intsony. Nikarakara atrikasa mikasika izany ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy […]




