Tonga eto Madagasikara ny solontenan’ny «Fonds Pierre Castel», hijery ifotony mikasika ny lalao «Pris Castel» sy ny fisokafan’ny fihariana miompana amin’ny lalam-pihariana lafiny ara-tsakafo sy ny fandraharana aty Afrika. Voakasik’izany ny sekoly ambony momba ny siansa ara- pambolena sy fiompiana eny amin’ny oniversiten’Ankatso (ESSA). Nihaona tamin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny izy ireo. […]
Toe-karena
« Orange digital center » : hanampy ny tanora ao Fianarantsoa
Notontosaina, omaly, tetsy amin’ny Orange Madagascar, Ankorondrano, ny fiaraha-miasany amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Hiompana amin’ny lafiny nomerika izany. Hisitraka ity tetikasa ity ireo mpianatry ny oniversite any an-toerana sy ny tsy an’asa na koa tsy mianatra ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Tanjona ny hanamafy ny fanoloran-tena ny rehetra amin’ny fampivelarana ny […]
Tsimitamby, mpahay ny maha olombelona : « Tokony nitohy foana ny asa sosialin’ny Base Toliara »
Misy amin’ireo faritra iasan’ny orinasa Base Toliara no ahitana fasana ilevenan’ny tompon-tany. Naneho hevitra mazava i Tsimitamby, zanak’i Toliara, ny manampahaizana amin’ny maha olombelona sy ny fiarahamonina (anthropologue) mikasika ny tetikasa Base Toliara. Nambarany fa manaja ny fomban-tany sy ny tombontsoan’ny mponina ity orinasa ity, sady manaraka ny lalàna amin’ny […]
FIM 2023 : vonona ireo mpandray anjara
Hanomboka afaka herinandro vitsy ny «Foire internationale de Madagascar», FIM 2023. Andiany faha-17 ny atao amin’ity taona ity eny amin’ny «Park des expositions”, Forello Tanjombato. Ankehitriny, efa vonona ireo mpandray anjara sy ireo mpikarakara ny hetsika ary ny mpiara-miasa rehetra. Omaly, namory ireo mpiara-miasa amin’ny hetsika teny an-toerana ny mpikarakara. […]
Vanim-potoana mafana : velarantany 50.000 ha tratry ny andiam-balala
Nirongatra ny andiam-balala, izay efa mahenika velarantany 50.000 ha. Maika ny fandraisana fepetra satria ahiana vao mainka hihazakazaka izany fitomboany izany, ka tsy maintsy vonoina mialoha ny jona 2023. Nanafaingana ny fitomboan’ny valala ny firotsahan’ny orana be loatra sy ny toetr’andro, nanomboka ny oktobra 2022. Nandray fepetra hentitra ny minisiteran’ny […]




