Tafapetraka ao Tsiroanomandidy ny tetikasa “One district, one factory” (ODOF). Araka izany, nahazo milina fanodinana voanjo ho lasa menaka ny distrika. Ny alakamisy teo, tonga tany an-toerana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, nitokana izany. Tafiditra anatin’ireo ozinina miisa 75 fanodinana ny vokatra […]
Toe-karena
Olan’ny delestazy : natsahatry ny HFF ny milina mpihary herinaratra
Mitady vahaolana hatrany ny orinasa Jirama sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Tsikaritra efa mihamihena izany ho an’ny faritra sasany taorian’ny fitsinjarana ny solika hamokarana herinaratra. Tsy mbola mivaha tanteraka anefa izany fa mbola misy ireo faritra mampihatra izany toa ny ao Mahajanga, Nosy […]
“Pipeline Efaho”: hampandroso ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka
Hitarika rano 15 tapitrisa metatra toratelo (m3) isan-taona amin’ny reniranon’i Efaho sy hanondraka tanim-pambolena hatramin’ny 80.000 ha ny “pipeline Efaho”. Hanova ny faritra Atsimo ity tetikasa ity ka hanome rano madio fisotro ho an’ny mponina 500.000. Voakasiky ny haintany miverimberina ny faritra atsimon’ny Nosy, izay miantraika betsaka amin’ ireo mponina […]
Fanampiana ireo voafonja : haverina ny asa famokarana sy fizarana traikefa
Hamerenana indray ny hasin’ny famokarana eny anivon’ny fonja, mba hahafahan’ireo voafonja misakafo ara-dalàna. Ireo no tanjona napetraka tamin’ny fifanaovan-tsonia sy fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ny Fitsarana, afakomaly, tetsy Anosy. Natao izao hampihodinana ny fonja tsirairay sy hanenana ny tetibola lanin’ny fanjakana amin’izany. Fa indrindra hanomezana […]
Fifanakalozan-kevitra : jerena ny fampidirana herinaratra ambanivohitra
Anisan’ny teboka mampandroso ny toerana iray ny fisian’ny herinaratra. Loharanon’ny fanodidina ny asa izy ary anisan’ireo miantoka ny fandriampahalemana. Araka izany, nisy ny dikina sy fifanakalozan-kevitra nataon’ny ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo, sy ny delegasiona avy amin’ny « Kreditanstalt für Wiederaufbau » (Etablissement de crédit pour […]




