Toe-karena

Madagascar Airlines : hampiroborobo ny sehatry ny fizahantany

Nanao sidina nanomboka, omaly, teto amin’ny lanitry ny Nosintsika ny Madagascar Airlines rehefa nahazo ny taratasy fankatoavana avy amin’ny “Aviation civile de Madagascar” (ACM). Afako­maly alina, nisy ny fanambarana nataon’ity kaompania ity momba ireo fepetra sy ny dingana rehetra nataony. Anke­hitriny, vonona ny hampiroborobo indray ny sehatry ny fizahantany sy […]

Fampiroboroboana ny jono: hamafisina ny paikady sy ny lafiny teknika

Miainga avy any ifotony miaraka amin’ireo pitsopitsony samihafa izay handraisan’ny rehetra anjara ny fampandrosoana ny jono eto Madagasikara. Misy ny paikady manokana dinihina hana­tsarana izany. Fananana paikady mirindra izay handraisan’ny rehetra anjara hanatsarana ny jono eto Madagasikara. Io no tanjona napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, mandritra ny […]

3, 2, 1 pitch! by Fihariana : mpandraharaha sivy mianadahy nahazo fitaovana sy famatsiam-bola

Taorian’ilay fotoana ni­fampizarana tamin’ireo ta­nora mpandraharaha. Niditra tamin’ny fanolorana fankasitrahana an’ireo 9 miana­dahy nisongadina tamin’ny fifaninanana “3, 2, 1 pitch! by Fihariana” ny filoha Andry Rajoelina. Novatsiany fitaovana avy hatrany izy 9 mianadahy ireto. Fitaovana azo ampiasaina hampiroboroboana ny asa sy ny orinasan’izy ireo. Teo ny nahazo milina fanodinana vokatra […]

Filoha Rajoelina Andry : nizara traikefa tamin’ny tanora

Tafiditra amin’ny politikan’ny filoham-pirenena, nisy ny fizarana traikefa nataony tamin’ny tanora mpandraharaha, omaly. Notanterahina teny Iavoloha, ny « Malagasy Youth Business Meeting ». Tanora mpandraharaha miisa 40 avy amina seha-pihariana rehetra no noraisin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Nisy ny dinika an-databatra boribory nifampiresahan’ny roa tonta. Indrindra […]