Toe-karena

Ranomafana Fianarantsoa: hiampy 64 MW ny famokarana herinaratra

Hampiakarina ho 64MW ny tanjaky ny famokarana herinaratra ao Ranomafana Fianarantsoa. Tontosa ny herinandro lasa teo ny fanaovan-tsonia famatsiam-bola mikasika izany. Nahazoan’ny fanjakana malagasy vola 240 tapirisa dolara Ariary avy amin’ny masoivohon’ Sina. Nanao sonia izany ny ministry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla sy ny ambasadaoron’i Sina, Zhang Wei. Tafiditra ao […]

Antenimierandoholona : mihamafy ny fiaraha-miasa Frantsay sy Malagasy

Nihaona tao amin’ny La­pan’i Luxembourg, tany Paris, ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Antenimieran­doho­lo­na (PS) malagasy, Razafi­ma­hefa Heriniaina, sy ny vondrona loholona frantsay, «naman’i Madagasikara», ta­ri­hin-dRtoa loholona atsy La Réunion, Nassimah Dindar, ny 5 avrily teo. Naneho ny fa­havononany hiara-kiasa amin’i Madagasi­kara, ny loholona avy any amin’ny departemanta sy faritra maromaro (Iles […]

Fampandrosoana ny toekarena : mitombo isa ireo resy lahatra ny hanokafana ny Base Toliara

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona mitaky ny hanokafan’ny fanjakana indray ny orinasa Base Toliara. Miseho izany hatramin’ny nampihantonana ny tetikasa, nanomboka ny taona 2019. Isan’ny naneho izany, ny fikambanana Toko Bey Telo Tevondrone, tarihin’ny filohany, Hardy Spener, izay nanao fanambarana miezinezina, naneho ny fanohanany ity tetikasa ity, ny herinandro lasa […]

Fananan-tany : fototry ny olana ny tsy fahalalana ny lalàna

Nikarakara varavarana mi­sokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharahan’ny Fana­nan-tany, omaly, tetsy Anosy. Lohahevitra noraisina ny hoe: “ny fananan-tany sy ny fiangonana”. Tanjona ny hiadiana amin’ireo olana rehetra mikasika ny tsy fahafantarana ny lalàna mifehy ny fananan-tany eto amin’ny Nosy sy hanakaikezana ny vahoaka. Maro ny olona tsy mahalala ny lalàna […]

Masomboly zafindraony : ahazoana katsaka 8 taonina isaky ny hektara

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fam­bolena sy ny fiompiana (Minae), notarihin’ny minisitra, Ramilison Harifidy, sy ny Dr. John MacRobert, mpikaroka sady nisolo tena ny orinasa tsy miankina mpamokatra masomboly, Mukushi Seed Company (MSC), manana ny foibeny any Zimbabwe. Na­nolotra masomboly fototra katsaka zafindraony ity orinasa ity […]