Toe-karena

Fikarakarana volo: niainga teny an-jaridaina ny akora nampiasaina

Miainga amin’ny fikarohana sy izay misy eo am-pelatanana ny famokarana ho an’ny fandraharahana. Tsy mora ny asa saingy mitaky fikirizana hatrany mba hahazoam-bokatra entina hanatsarana ny vita teo aloha. Sehatra iray anisan’ny miteraka asa ho an’ny tanora ny tontolon’ny fandraharahana. Ankehitriny, miroborobo fatratra izany, indrindra ho an’ny fikojakojana ny volo […]

FAPBM: niisa 35 000 ireo nisitraka famatsiam-bola

Mamatsy vola ireo mpitantana ny Faritra arovana (AP) miisa 125 manerana ny Nosy ny Fikambanana ho an’ny Faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manana mpiara-miombon’antoka izy amin’izany, ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Anisan’izany ny « Conservation internationale », ny WWF, ny KFW, ny AFD, ny Banky iraisam-pirenena, sns. […]

Fialantsasatra lehibe: hisondrotra 5% ny saran-dalan’ ny taksiborosy amin’ny 22 jolay

Hitombo ny fandanian’ny mpandeha mankany amin’ny faritra, amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Hisondrotra ny saran-dalan’ny taksiborosy, manomboka amin’ny sabotsy 22 jolay izao. Miandry ny fahavitan’ny Bakalorea ! Hitombo ny mpandeha amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao, indrindra aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana. Manararaotra izany ny ankamaroan’ny mpitatitra, ka fantatra fa hampiakatra 5% ny saran-dalana […]

« Tetikasa PA2R » : tantsaha 28 000 tokantrano hahazo tombontsoa

Hanatsarana ny fomba fambolena nentim-paharazana amin’ny fampitomboana ny karazana voly atao sy hampiroborobo ny teknika agroekolojika ary ny fahafaha-miatrik’ireo tantsaha ny fiovan’ny toetr’andro. Ireo ny tanjona apetraky ny tetikasa «Projet d’appui aux relèvements et de résilience des 3 régions du Sud» (PA2R). Hiasa amina faritra telo any atsimon’ny Nosy ny […]

Ambohitromby Ankazobe : tafapetraka ny herinaratra avy amin’ny masoandro

Manampy amin’ny famatsiana herinaratra eny ifotony ny Antenimierandoholona amin’ny maha mpiahy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy. Notokanana ny sabotsy 15 jolay teo ny foibe mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, eny Ambohitromby, distrika Ankazobe. Nitarika izany ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafima­hefa Herimanana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina, ny […]