Toe-karena

Tetikasa Filamatra : nahafa-po ny zava-bita teny amin’ny kaominina Tsiafahy

Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina. Tanjon’ny tetikasa Fi­lamatra, […]

Tontolo iainana : nohavaozin’Ambatovy ny PGES

Natao sonia, ny 31 marsa teo, ny Drafi-pitantanana ara-tontolo iainana manokana (PGES)* nohavaozin’ny orinasa Ambatovy. Nanatan­teraka izany, ny filohan’Am­batovy sy ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE), Rako­toson Rija. Voafaritr’ity drafi-pitantanana vaovao ity ny fe-potoana 2023 hatramin’ny 2027. Voa­kasik’izany ny fitrandrahana any Ambatovy Moramanga, ny fantsombe mitatitra ny […]

Varotra anatiny : ferana ny lalan’ny fitsinjarana voka-bary eto an-toerana

Nandray fepetra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, afakomaly. Mba hijerena vahaolana sy lalan­tsaina manoloana ny vidim-bary amin’ny fotoan’ny mai­tsoahitra sy fahavaratra. Voa­lohany, ferana ny lalan’ny fi­tsinjarana ny voka-bary eny Imerintsiatosika mankaty An­tananarivo. Eo koa ny hije­rena ny fitsinjarana izany, miainga avy eny amin’ny tantsaha […]

CT Motors : miavaka ny Kawasaki ZX10

Miakatra hatrany ny lentan’ny kalitao eo amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa ho an’ny orinasa CT Motors. Nampa­hafantarin’izy ireo ny marika Kawasaki ZX 10 tetsy An­draharo, ny sabotsy 1 avrily teo. Anisan’ny hiaka farany ity karazana moto ity. Manana tanjaka hatramin’ny 203 Ch. “Mahafa-po mihoatra ireo Kawasaki nivoaka tany aloha ity ZX 10 […]

ONE : manan-kery ny fahazoan-dalan’ny Base Toliara

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena mikasika ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija, ny ben’ny Tanànan’ Ankilimalinike, Toliara II, Mahatoro Longin, ny alakamisy lasa teo. Voakasik’izany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE), efa azon’ny orinasa. Notaterin’ny ben’ny Ta­nàna, Mahatoro Lon­gin, ny tena zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao, misy ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa […]