Toe-karena

Loka « Pierre Castel » : fifaninanana ho an’ny tanora

Misokatra indray ny fifaninanana loka « Pierre Castel », karakarain’ny vondrona Castel, amin’ny alalan’ny orinasa Star. Mitodika amin’ny tanora malagasy mpandraharaha, hamorona tetikasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny ara-tsakafo aty amin’ny faritra Afrika. Tanjona, ny hitondrana va­haolana maharitra sy hi­tondra fampandrosoana ma­haritra eo amin’io sehatra io. Taona faharoa eto […]

Hisy fepetra vaovao : miverina ny fanondranana volamena any ivelany

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 30 marsa teo, ny fanafoanana ny fampiantoana ny fanondranana volamena any ivelany. Nanka­toavina tamin’io fotoana io koa ny didim-panjakana vaovao mifandraika aminy. Nana­zava ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, omaly, fa misy ny fepetra sy ny dingana vaovao tsy maintsy […]

CUA – Application Matac : hanamora ny fahazoan-dalana hanorina

Nahazo fitaovana informatika antsoina hoe: application “Matac/Hanorina” avy amin’ny Vondrona eoropeanina ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, omaly. Natolotra tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Ana­lakely izany. Tanjona ny hanamorana sy hanampiana ny teknisianina amin’ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanorina (permis de construire). “Mahatratra 300 ny isan’ny fahazoan-dalana hanorina nomen’ny kaominina Antana­na­rivo Renivohitra alalana ta­min’ny taona […]

Fandaharanasa Fihariana: miisa 100 ny tetikasa tohanana tato anatin’ny 3 volana

Isan’ny fandaharanasa manohana ara-bola sy ara-teknika ny malagasy mpandraharaha madinika sy salantsalany ny Fihariana. Isan’ny omena lanja ny vehivavy sy ny tanora mpandraharaha, indrindra ireo manana zava-baovao sy miantraika amin’ny toekarena sy ny tontolo iainana. Mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Isan’ny ataony laharam- pahamehana ny vehivavy mpandraharaha. […]

QMM : nonerana vola ny mpanjono sy ny mpampiasa ny tany

Natao ny sabotsy 11 marsa teo ny fanonerana vola farany, nataon’ny orinasa QMM ho an’ny mpanjono sy ny mpampiasa ny harena voajanahary any Taolagnaro. Miisa 5.342 izy ireo no nahafeno ny ma­sontsivana, niarahana nametraka tamin’ny fomba tsy mitanila tamin’ny alalan’ny vaomiera iombonan’ny roa tonta, notarihin’ny faritra Anôsy. Mitotaly 11 miliara […]