Voasambotry ny polisy, tany Toamasina, ireo jiolahy miisa roa, mpanao fanafihana mitam-piadiana, raha ny fanambarana nataon’ny jeneraly Rakotoarijaona Faly, Talem-paritry ny polisim-pirenena Atsinanana, omaly. Voarakitra tao anaty horonantsary tamin’ny “caméra de surveillance” teo amin’ny toerana nanaovany ny fanafihana izy ireo, raha ny fanazavana. Jiolahy miisa telo, tsy nisaron-tava, no nanafika […]
Tranga
Mamo nitondra fiara : Nifaoka mpandeha an-tongotra
Lehilahy iray tokony ho 23 taona, no maty voafaokan’ny fiara sprinter iray zotra 194, afakomaly alina tamin’ny 9 ora tany ho any. Niseho tetsy anelanenlan’Andranomena sy Ambohibao Antehiroka ny loza. Nandeha tongotra ary hamonjy fodiana any Andranomena izy no tra-doza ka izao namoy ny ainy izao. Fantatra nandritra izany, fa mpanampy […]
Amboaroy-Antehiroka : Mpivady niara-maty voatsatoka antsy
Teratany vahiny iray sy ny vadiny niara-maty hita tao anaty trano fidiovana tao Amboaroy Antehiroka, ny sabotsy 10 oktobra lasa teo. Lehilahy iray karohina. Karohin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy ahina ho nahavanon-doza nahavita namono mpivady teny Amboaroy Antehiroka, ny sabotsy 11 oktobra lasa teo. Niharan’ny vono mahatsiravina ny mpivady, mpandraharaha, […]
Raharaha Gastro: Pizza Polisy iray nalefa eny Tsiafahy
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana nanampoaka basy ka nitarika faty olona teny Namontana. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana eo anivon’ny hery vonjy taitra eo anivon’ny polisim-pirenena fa nisy olon-dratsy nanao fandrobana teny Namontana. « Natoron’ilay mpivarotra lasibatra ny lalan-kely nandosiran’ireo olon-dratsy », hoy ny fanazavan’ny Tonia mpampanoa lalàna […]
Toamasina: Jiolahy raindahiny matin’ny polisy
Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina, nampiakatra ny paikadiny ny polisim-pirenena. Noho ny ezaka, nisy jiolahy iray matin’ny polisy teny Tanambao verrerie. Tafaporitsaka ny telo hafa. Nahatratra basy vita gasy iray sy bala 7,65mm miisa telo ilay jiolahy voatifitra. Fantatra nandritra ny fandalovan’ny fianankaviany tetsy amin’ny tranom-patin’ny hopitaly […]





