Tranga

Kasaina haondrana any Ihosy : Rongony milanja 8,10 kg sarona

Tratra nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro filaminana tao anaty sakaosin’ny mpandeha iray ny rongony milanja 8,10 kg, afakomaly. Fantatra nandritra ny fisavana ny entana rehetra teny amin’ny fiantsonana fiaingan’ny fiara ho any Ihosy izany. Nahazo loharanom-baovao avy tamin’ ny olona tsara sitrapo ny teo anivon’ ny tobim-paritra Betroka, tamin’ny 12 […]

Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary enina niakatra fitsarana

Niakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly ny zandary enina sy sivily efatra, omaly. Voampanga ho nanodinkodina Cocaïne tratra tany Nosy Be Hell ville izy ireo. Niakatra teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Pac, omaly, ireo zandary enina sy olon-tsotra efatra izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika Co­caïne. Sarona tao […]

Jiolahy mpampanofa basy: Maty voatifitra i Dadabekibo

Toarian’ny fidinan’ny mpitandro filaminana hampandry fahalemana an’i Toamasina. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana avy amin’ny UIR tao amin’ny depot fahatelo Toamasina i Dadabota na Dadabekibo, omaly tolakandro. Jiolahy malaza amin’ny fampiasam-bola toy ny mpandraharaha rehetra ary mampanofa basy ihany koa izy. Ankoatra izay, mampiasa tovolahy kely maro hanendaka sy hamono […]

Takaitran’ilay andro ratsy tany avaratra: Iray no maty, 4115 ny traboina, manambana ilay rivodoza Jude

Namela takaitra ilay andro ratsy nandalo tao avaratra, faritra dimy no voakasika, distrika valo sy kaominina 16 no nitondra takaitra. Hiverina hanambana ny faritra Menabe na Atsimo Andrefana kosa ilay rivodoza Jude aorian’ny fiverenany ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, amin’ity herinandro ity. Taorian’ny fandalovan’ilay andro ratsy tany amin’ny tapaxny avaratry ny […]