Tranga

Olona telo hatolotra ny fampanoavana : Lehilahy notrobatrobarana tamin’ny zava-maranitra

Maty novonoin’ny mpiray tanàna taminy ny raim-pianakaviana iray, tamin’ny alarobia teo. Olona telo voasambotry ny zandary. Hiakatra fampanoavana anio ireto ahina ho tompon’antoka. Hatolotra ny fampanoavana anio, ireo telo mianadahy voasaringotra tamin’ny vonoan’olona tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, kaominina Alakamisy Anosiala, distrikan’Ambo­hi­dratrimo. Voatsatoka vy maranitra teo amin’ny tratrany sy ny tendany […]

Traktera nahafaty olona : Matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpamily mpanampy

Ain’olona miisa roa indray nafoy nandritra ny lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka tao Ambo­divoanjo, kaominina ambanivohitra Tsarajomoka, distrikan’ i Mandritsara, afakomaly. Ni­tatitra vokatra avy any ambanivohitra ny traktera iray. Ni­fanena tamin’ny mpanadalo. Voafaokan’ilay traktera tampoka ity farany. Notetezin’ny kodiarana aoriana ka namoy ny ainy. Tsy nijanona anefa ny mpamily io fitaovam-pitate­rana […]

Fanafihana : Lavon’ny balan’ny zandary i Sababaka

Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny Poste Fixe Ambohitoaka, Ambalavy, omaly maraina tamin’ny 3 ora, ny dahalo raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Sababaka. Tratra tao amin’ny tanàna iray tsy lavitra an’i Bekitoto, kao­minina Ambohitoaka, izy. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary fa misy dahalo mampihorohoro ny mponina […]

Kaominina Ambohimanambola : Efa-dahy nahatrarana vola sandoka 2 tapitrisa Ar

Hiakatra fampanoavana anio ireo olona efatra nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao Ambohimanambola. Lehilahy efatra nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanambola, fokontany Ambohipeno, ny alarobia 11 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary momba ny fisiana olona mitety tsena manaparitaka vola sandoka. “Mody mividy zavatra amin’ny tsenakely ireo telo lahy”, hoy […]

Nampiasa zava-maranitra : Lehilahy namono olona notanana am-ponja

Notanana am-ponja taorian’ny fitsarana azy afakomaly, ny lehilahy namono olona tao amin’ny kaominina Andovo­ran­to, distrikan’i Brickaville. Nokapakapain’io lehilahy na­havanon-doza io tamin’ny antsy teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray 70 taona. Avy naka fary tany an-tsaha ity farany, ny 21 mey lasa teo tamin’ny 1 ora atoandro, nifanena izy roa lahy […]