Potika ny vatan’ilay lehilahy notetezin’ny lamasinina tao amin’ny fokontany Manankasikely, kaominina Manjakandriana, ny alatsinainy 16 jona teo. Mifanila amin’ny lalam-pirenena ny lalamby ao amin’io toerana io. Nijanona tamin’ny sisin-dalana ny fiara an’olon-tsotra izay nitondra io lehilahy io. Nivoaka ary naka sisiny tamin’ny lalamby ity farany ary niantso an-telefaonina, tokony ho […]
Tranga
Tafakatra 19 ny maty : Olona dimy voasambotra, namosaviana ireo mpilanona
Nanamafy ny governemanta fa ”famosaviana” niniana natao tamin’ny poizina mahery tao anatin’ny mofo ”donut” no niseho teny Ambohimalaza. Olona dimy voasambotra, hiakatra fampanoavana. Tafakatra 19 ireo namoy ny ainy. “Dimy ireo olona voasambotra miatrika fanadihadiana eny anivon’ny zandarimaria amin’izao fotoana izao”, hoy ny minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly […]
Tsy fandriampahalemana : Lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tao Barikadimy ny alin’ny alatsinainy 16 jona hifoha talata teo. Sarona nangalatra tao amin’ny fokontany manamorona ny Campus ny mpianatry ny Oniversiten’ i Barikadimy izy. Niezaka nifampiantso ny fokonolona tao Ambalamanasy ary nitari-dositra niditra ny Campus ity jiolahy ity. Nifanehatra tamin’ny mpianatra izy ary voasambotra. Tsy […]
Fanafihana tetsy Antsakaviro: Rava ny tambajotran-jiolahy nandroba 81 tapitrisa Ar
Ravan’ny zandary ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana nandroba lelavola 81 tapitrisa Ar mahery, teo anoloan’ny Banky iray tetsy Antsakaviro. Fito hatreto ireo voasambotra ka polisy ny iray amin’ireo voasaringotra. Tafakatra fito ireo nosamborin’ny zandary, afakomaly, momba ny fanafihana nitam-piadiana tetsy Antsakaviro. Efa-dahy nitondra moto nanambana basy ireo roa lahy hanatitra vola ka […]
Tafakatra 17 no maty: voamarina ny fisian’ny poizina mahery vaika
Namoaka ny valin’ny fanadihadiana voalohany tamin’ny fitsirihana ireo ambin-tsakafo ny avy amin’ny Sampana momba ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, omaly. Fantatra tamin’izany, fa fanampoizinana ara-tsakafo ary poizina mahery vaika ny antony nahatonga ny fahafatesan’olona maro nandritra ny fety natao teny amin’ny trano fanaovana lanonana […]





