Nifamonjen’ny nanatri-maso, vehivavy iray naratra mafy voahosin’ny lamasinina teny amin’ny lalamby Androndrakely, omaly maraina. Tsy manam-ponenana matotra, mivezivezy eny amin’ny manodidina io ramatoa io, araka ny loharanom-baovao. Nitsirara teo amin’ny toerana manakaiky ny lalamby izy. Nisotro toaka io vehivavy io. Tavela teo aminy ny tavoahangy nisotroany. Nandalo tampoka anefa ny […]
Tranga
Anosibe : Jiolahy mitam-piadiana iray lavon’ny balan’ny Sag
Jiolahy mitam-piadiana iray lavon’ny balan’ny Sag nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny polisy sy ireo olon-dratsy miisa efatra tetsy Anosibe. Tratra niaraka taminy ny basy kilalao iray sy bala miisa efatra. Raha toa ka tafatsoaka ireo namany telo hafa. Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, afakomaly alina. Nifanehitra tamin’ny polisy ny andian-jiolahy […]
Lakana rendrika ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy
Renim-pianakaviana iray 26 taona, manambady, manan-janaka kely, namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny lakana tetsy amin’ny Fasan’ny karana miampita ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, afakomaly tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany rehefa nokarohin’ny sampana mpamonjy voina, raha naharay antso mahakasika ny tranga izy ireo tamin’ny […]
Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary fito nalefa eny Tsiafahy
Nohainoin’ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly nandritra ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 11 marsa teo ireo voarohirohy. Zandary miisa fito nalefa eny Tsiafahy ary iray hafa manaraka fitsaboana. Sivily miisa efatra hafa nohazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha fanodinkodinana Cocaïne 250 kg. Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]
Fanafihana nitam-piadiana: roa lahy nandroba 200 tapitrisa Ar
Dimy mianaka notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana tao Antamponivinany Ambositra, ny alin’ny talata 10 marsa teo. Lasibatra ny volabe. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Antamponivinany Andrefantsena Ambositra, ny alin’ny talata 10 marsa teo. Roa lahy nandroba tokantrano iray fonenan’ny tomponandraikitry ny fikambanana AMMF na « fikambanana Miara-miezaka ho an’ny fampandrosoana ». Niditra an-keriny tao amin’ilay […]




