Niredareda ny afo tetsy amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse, omaly hariva tamin’ny 6 ora latsaka fahefany. May kilan’ny afo sy tsy nisy azo noraisina ny entana tao anatin’ ireo tsena lasibatra, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Manodidina ny telo: Box 371, 372, 373, ireo tsena may, nandritra izany. Mahatratra an-tapitrisany maro […]
Tranga
Toamasina: Notriarin-dramatoa zava-maranitra ny vadiny
Norasain-dramatoa tamin’ny zava-maranitra « lame » ny vadiny tao Ankirihiry, parisela 11/58, kaominina Toamasina, ny 12 jona teo. Tsy nanana sigara ho fohana, nangataka tamin’ny ramatoa vadiny hitsoriaka hividy any an-tsenakely io lehilahy io. Nifanena tamin’ny namany anefa izy ka tafaraka nisotrosotro. Nilaza ho tsy manam-bola io lehilahy io saingy tsy nanaiky […]
Fahapoizinana tamin’ny sakafo: Tanora vao erotrerony 12 mianadahy niara-maty
Tanora miisa 12 no maty vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo ny alin’ny sabotsy lasa teo, teny Ambohimangakely. Mbola misy 13 mianadahy anaty fahasarotana hatramin’ny fotoana nanoratanay. Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina halina, 12 no namoy ny ainy tamin’ilay fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimangakely, ny alin’ny sabotsy. Maty tao […]
Notsatohana tamin’ny hety: Tomponantoka ny raikelin’ny zaza lasibatra
Voasambotry ny zandary avy amin’ny borigadin’Ambohimalaza, afakomaly, ny ray aman-drenin’ilay zaza menavava notsatohana hety teo amin’ny tendany, ny zoma lasa teo. Tratra teny Ambohimalaza ilay renim-pianakaviana, raha toa ka teny Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ilay raim-pianakaviana, raikely, fa nanoratra ny anarany tao anaty kopian’ny zaza. Bevohoka fito volana ny renin’ilay zaza […]
Ambodimita : Vehivavy 71 taona nahatrarana vola sandoka
Vaviantitra 71 taona nahatraran’ny polisim-pirenena vola sandoka teny Ambodimita, boriborintany fahenina, ny alakamisy 12 jona teo. Mitety tsena, mody mividy zavatra no fomban’ireo olon-dratsy manaparitaka io vola sandoka io. Niandry andro ho maizimaizina, nilaza hametraka vola mitetina 320 000 Ar ho ao anaty findainy teo amin’ny Cash point iray io ramatoa […]





