Tranga

Mampanantena fiara 4×4 : tratra ireo jiolahy mpisoloky anaty finday

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) teny Ankasina, ny 16 janoary 2024 lasa teo, ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanaovana fisolokiana anaty finday. Misoloky sady manao fisandohana andraikitra amin’ny alalan’ ny fampiasana finday ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampita­in’ny polisy. Misandoka ho mpitandro filaminana, mpiasan’ny fonja sy […]

Olana sy famoizam-po: raim-piankaviana nananton-tena

Hita faty, nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny tohatry ny tranony ny lehilahy iray 26 taona, afakomaly. Voalazan’ny mpitsabo sy ny zandary teny an-toerana fa namono tena izy. Lehilahy iray, monina ao amin’ny fokontany Iko­pakely, kaominina Am­banivohitra Ambohitrimanjaka no hita nihantona tamin’ny tady tao an-tranony, afakomaly. Nahatsikaritra toe-javatra hafahafa ny tao […]

Ambato Boeny : dahalo dimy voasambotra

Nataon’ny tafika hazalambo ny dahalo raindahiny amin’ny halatra omby tao Akamakama, kaominina Ankirihitra, distrikan’Ambato Boeny, afakomaly. Nalain’io dahalo io ny omby miisa roa ka nentiny nandositra. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Voasambotra nandritra ny sakoroka ny dahalo iray. Natao famotorana, nitoroka ireo olona efatra mpiray […]

Havan’ilay mpandraharaha nisy namono : manahy amin’ny fahafahan’ireo nahavanon-doza

Mbola voatazona ao amin’ ny zandary Maevatanana ireo olona 5 voarohirohy ho namono nahafaty, tamin’ny fomba feno habibiana, ilay mpandraharaha mpanangom-bokatra. Efa vita ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana. Andrasana hiakatra fampanoavana izy ireo. Hatreto, raha ny angom-baovao, tsy salama ny mpitsara tokony handray an-tanana íty raharaha ity ka mahatonga ny […]