Noraisim-potsiny! Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary tao amin’ny fokontany Andombotany, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 4 jona teo, tamin’ny 3 ora sy sasany maraina. Nahatsikaritra tranga hafahafa ny mponina teny an-toerana. Niantso avy hatrany ny zandary. Telo lahy voalaza fa nanosika moto tao anatin’ny haizina, nifanenjehan’ny zandary. Tafaporitsaka ny roa […]
Tranga
Matory an-tsena noho ny fitadiavana : Renim-pianakaviana hita faty tetsy Mahavoky
Renim-pianakaviana iray, mpivarotra legioma, hita faty omaly, tetsy Mahavoky. Tsy nahitana ratra ny razana, raha voalaza fa maty nisy nanindrona antsy. Mivarotra sy matory an-tsena noho ny halaviran’ny toerana honenany. Hita faty manakaiky ny fokontany Mahavoky Besarety, omaly maraina tamin’ny 05 ora latsaka fahefany, ny renim-pianakaviana iray, 47 taona. Niparitaka […]
Ankadindramamy : Taxi-be 147 sy taxi nifampitrongy
Potika tanteraka ny lohan’ny taxi iray nifandona tamin’ny taxi-be 147 tetsy Ankadindramamy akaikin’ny tobin-dasantsy, omaly maraina. Nikasa hidina avy any amin’ny lalana mizotra mankany Mahazo ilay fiara kely. Nivoaka avy amin’ny toerana misy ny tobin-tsolika ilay taxi-be, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nifandefitra ny mpamily roa tonta. Nifandona avy hatrany […]
Voafitaka tany Cameroun : Hody an-tanindrazana anio ireo Malagasy
Nigadona eto Madagasikara, androany tamin’ny 2 ora maraina, ireo Malagasy miisa sivy notanana an-keriny tany Cameroun nandritra ny volana maro. Niainga tany amin’ity firenena ity izy ireo, afakomaly, ary izao tonga eto an-tanindrazana izao. Voafitaka tamin’ny asa hitany tao amin’ny tambajotran-tserasera ary notanana an-keriny tany izy rehetra ireo. Anisan’ny nandrisika […]
Tao anaty lavapiringa : Raim-pianakaviana maty voatifitry ny basy teny an-tanany
Raim-pianakaviana, 51 taona, hita faty tao amin’ny lavapiringa, tany amin’ny tanàna Maritampona, fokontany Amparihitany, kaominina Kiranomena, ny alin’ny 2 jona 2025 lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nitondra basy vita gasy iray izy ary voatifitr’izany ka maty tao. Niditra teo ambavafony ny bala ka nitarika ny fahafatesany. Nivoaka namonjy […]





