Tranga

Iray maty, roa naratra : notsindromina antsy tao anaty taksiborosy!

Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray. Lehilahy roa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Karohina kosa ny mpandeha iray, nanindrona antsy azy ireo tao anaty taksiborosy. Lehilahy mpandeha tao anaty taksiborosy nandehanany ihany no namono nahafaty ny ramatoa iray tao Talatamaty, Fianarantsoa, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 5 oktobra teo. […]

Fisandohana andraikitra: namoahana didy fisamborana ny mpanolotsaina ny Seg

Nivoaka ny didy fisamborana ilay teratany belza, Mir­gaux David, mpanolotsaina teknika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), taorian’ ny fametrahan’olon-tsotra fitoriana teny anivon’ny fampanoavana ao Toamasina. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany no hanatanteraka izany ka aorian’ny famotorana, tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana ny raharaha. Trangan-javatra maromaro no votoatin’ny fiampangana azy. […]

Voaroba ny 12 tapitrisa Ar: atidoha nikotrika ny vinantolahy

Norobain’ny lehilahy iray ny volan-drafozany haterina any amin’ny banky tao Ambatomirahavavy, omaly. Tsy afa-nandositra izy sy ny namany ka tratran’ny zandary. Vinantolahy an’ny voaroba ny iray tamin’ireo telo lahy naka ny vola 12 ta­pitrisa Ar voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ambato­mirahavavy, omaly. Hanatitra vola any amin’ny banky […]

Toamasina : miaramila frantsay matin’ny moto

Maty tsy tra-drano teo amin’ny boulevard Ratsimilaho Toamasina, ny sabotsy teo, i Stewart, 45 taona, teratany malagasy saingy miaramila frantsay miasa sy monina any frantsa. Tonga manao fialantsasatra miaraka amin’ny fianakaviany efa ho volana vitsivitsy ity miaramila frantsay ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Ny talata 26 septambra 2023 hariva […]