Mitaraina ho tsy ampy sakafo ny voafonja ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy – Toamasina. Fantatra izany taorian’ny fisiana voafonja iray naiditra hopitaly ao amin’ny hopitalibe Toamasina. Voalaza fa tsy misy sakafo kanefa marary sady tsy misy mpanatitra sakafo, araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ilay voafonja. « Voaheloka dimy taona am-ponja aho ary efa vita ny […]
Tranga
Tranga hafahafa: lehilahy hita faty notapahin-doha
Miverina indray ny fanapahan-doha ao amin’ny faritr’Ihorombe. Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antamenaka, distrikan’Ihosy, omaly. Raim-pianakaviana iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny toerana misy ny fasam-bahiny ao Antamenaka, distrikan’Ihosy, omaly maraina. Olona handeha hanati-boninkazo no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Lehilahy iray nitsirara tamin’ny tany ary efa tsy nisy […]
Halatra omby tao Maintirano : mpanara-dia roa maty voatifitry ny dahalo
Lehilahy roa anisan’ny fokonolona nanara-dia maty voatifitry ny dahalo tao amin’ ny fokontany Andranonakanga, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano, ny alahady 29 oktobra teo tamin’ny 9 ora. Tamin’io alin’ny alahady io, omby miisa 20 norobain’ny dahalo tao amin’ny tanànan’ Andranonakanga. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo ka nitifitra ireo mpanara-dia. Vokany, lehilahy roa […]
Voatifitra : jiolahy nangala-bary iray gony
Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana afakomaly, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana tao amin’ny fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, kaominina ambanivohitr’Antsahalava, distrikan’Antanifotsy. Efa-dahy ry zalahy no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity ka tratran’ny fokonolona ny iray tamin’izy ireo. Avy nandroba tokantrano iray tao amin’ity fokontany ity ireo jiolahy tamin’io fotoana io. […]
Alasora: jiolahy efa-dahy rotiky ny balan’ny polisy
Jiolahy mitam-piadiana efa-dahy indray lavon’ny mpitandro filaminana teny amin’ny kaominina Alasora, ny alin’ny talata 31 oktobra teo. Nirefodrefotra ny basy teny Ankona, kaominina Alasora, afakomaly alina. Jiolahy dimy lahy nifanandrina tamin’ny polisim-pirenena. Manoloana ny asan-jiolahy miseholany eto an-drenivohitra, nanao hetsika manokana ny mpitandro filaminana. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireto olon-dratsy […]