Niakatra fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Namono nahafaty ilay renim-pianakaviana teny Andavamamba noho ny lova izy ireo. Nidoboka am-ponja, omaly, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao an-tranony tetsy amin’ny Cité Anjezika Andavamamba. Rehefa avy niakatra fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana Anosy, omaly ihany. Voasazy higadra […]
Tranga
Voafaokan’ny kamiao ; Kaporaly namoy ny ainy
Tra-doza ka maty tsy tra-drano ny kaporaly iray teny amin’ ny lalam-pirenena fahefatra, teo amin’ny PK 402, teo amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Andranomamy, ny talata 21 janoary teo. Nandeha mafy ny kamiao izay nifenana tampoka tamin’ io mpitondra moto io. Nifampikasoka tampoka ny roa tonta ka nipitika teny ambony moto […]
Androndra-Ampamantanana: Jiolahy maty voatifitra, roa azo sambo-belona
Ravan’ny polisim-pirenena ny tambajotran-jiolahy anisan’ireo nikasa handroba tranom-barotra eny Androndra-Ampamantanana, ny alin’ny talata 21 janoary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Voasambotr’izy ireo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io lehilahy tratra io. Nitoroka ny namany izay mody nifangaro tamin’ny fokonolona tao an-toerana anefa […]
Maevatanàna : Roa lahy lasan’ny mpaka an-keriny
Lehilahy roa lasan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Ankazomandry, kaominina Mahatsinjo, distrika Maevatanàna, ny alin’ny alatsinainy 20 janoary teo, tamin’ny 8 ora. Efa-dahy niampy vehivavy sy ankizy tsy ampy taona niara-tonga tao amin’io tanàna io. Nangataka izy ireo hanaovana sakafo. Nandroso ho alina, nentin’izy ireo natao takalonaina ny lehilahy 40 […]
Anosizato Atsinanana I : Lehilahy avy nigadra hita faty
Avy namita sazy tany am-ponja, nikasa hody hamonjy ny fianakaviany ity lehilahy hita faty tetsy Anosizato Atsinanana ity. Lehilahy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo, hita faty tetsy Anosizato Antsinanana I, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora. Olona avy nigadra ary nikasa handeha hody hamonjy ny fianakaviany no tena […]




