Tranga

Fakana an-keriny: telo maty voatifitra, fito voasambotra

Lavon’ny bala ny telo tamin’ireo dahalo mpaka an-keriny nokarohina tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny 19 aogositra teo. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifandonana ny dahalo sady mpaka an-keriny telo lahy tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Antanetibe, kaominina Beronono, distrika Anjo­­zorobe, afakomaly. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana […]

Anosibe : jiolahy iray voasambotry ny SAG

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny SAG, teny Ano­sibe, omaly atoandro, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny rehefa avy nanendaka. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy lasa lavitra izy dia tra­tra. Mbola hita tany aminy ny finday halatra avy nangalariny tamin’io fotoana […]

Ankazobe : mpaka an-keriny roa lavon’ny zandary

Nokarohina hatry ny ela. Rotiky ny bala ny dahalo roa lahy tao amin’ny distrikan’i Maevatanana, ny 19 aogositra teo. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andian-dahalo sy ny  zandary tao amin’ny fokontany Anosipotaka, kao­minina ambanivohitra Tsiafabositra. Ikoizana amin’ny halatra omby, mpandray anjara tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Maevatanana, Ankazobe hatrany Anjozorobe […]

Fiara mpitatitra roa tra-doza: niampatrampatra ny faty, olona 20 namoy ny ainy

Sesilany ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona 10 no fantatra fa indray namoy ny ainy raha sivy kosa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Marovoalavo Beforona, RN 2, Pk 155+900, omaly tamin’ny 4 ora folakandro. Taksiborosy hiakatra aty Antananarivo avy any Toamasina no […]

Moramanga : ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mpanao fanafihana

Naiditra am-ponja ao Mo­ramanga omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ny andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana tratra tao Moramanga. Ny sabotsy 12 aogositra teo, nitrangana fanafihana tao amin’ny toeram-pivarotana iray eo amin’ny lalana garavaky. Nanao fisafoana avy hatrany ny zandary taorian’ny fitarainana voarain’izy ireo momba ity fanafihana ity. Nahita olona maromaro […]