Mpanera tany sy trano iray hita faty tao amin’ny tanànan’i Tsiazokararo, fokontany Avarabary, kaominina Imeritsiatosika, ny marain’ny sabotsy 22 marsa teo. Tsikaritry ny mpandalo iray ny fisiana olona nitsirara tao anaty tsenakely amoron-dalana. Nojereny, olona efa mpivezivezy eny amin’ny fokontany ary tsy vaovao amin’ny manodidina izany. Tsy nisy aina intsony […]
Tranga
Fefiloha vaky tetsy Ambohijanaka: Zaza mianadahy maty lasan’ny rano
Olona telo mianaka lasan’ny rano vokatry ny fefiloha vaky tany Ambohijanaka, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ireo zaza mianadahy raha toa ka avotra soa aman-tsara ilay raim-pianakaviana. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ireo zaza mianadahy : 10 sy 6 taona, lasan’ny rano tetsy Ambohijanaka, ny sabotsy alina […]
Noho ny hanoanana : Mpianatra telo lahy tratra nangalatra mangahazo
Mpianatra telo lahy avy amin’ny sekoly tsy miankina iray any Mandritsara an-tampon-tanàna tratra nangalatra mangahazo 30 fototra tao Maroamboka, omaly tamin`ny 2 ora maraina. Ny hanoanana nisy teo amin’izy ireo sy mba hananana vatsy hiatrehana fianarana no antony nahatonga azy ireo nanao izao asa ratsy izao, raha ny fanazavana voaray. […]
Voadonan’ny moto tetsy Ambatobe: Tapaka ny tongotr’ ilay niharan-doza
Naratra mafy voadona teo amin’ny tongony ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe, boriborintany fahadimy, omaly. Somary nisy fitohanana nidina ny lalana avy any Ambatobe nikasa hihazo an’Analamahitsy. Niampita ny arabe tampoka ilay lehilahy kinanjo nipoitra ilay moto. Nifatratra avy hatrany tamin’ny tongony. Tapaka ny ranjon’io mpantsaka rano io. Tetsy […]
Fanafiana mitam-piadiana: jiolahy enina maty voatifitra
Lavon’ny tifitry ny polisy ny enin-dahy mpanao fandrobana mitam-piadiana tao Toamasina, ny alin’ny alakamisy 20 marsa teo. Mpanadio trano ao amin’ny banky iray ao an-toerana voasaringotra. Nirefodrefotra ny basy nifamalian’ny polisy sy ny jiolahy, ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, niainga avy teo Mangarivotra ka hatrany […]





