Niforitra ny lohan’ny fiara iray nifandona tamin’ny kamiao teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 92+400, teo Lalantapaka, fokontany Amboalefaka, kaominina Miarinarivo II, ny harivan’ny 24 marsa teo, tamin’ny 5 ora. Nifanena tao anaty fiolahana ny fiara mpitatitra entana iray avy any Analavory nikasa hihazo ny Renivohitra sy ilay kamiao nifanoha-dalana taminy. […]
Tranga
Fanafihana Cash point : Naiditra am-ponja Rambola
Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, […]
Hita faty nihosin-dra: Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny fony
Nihosin-dra tanteraka, feno ratra, ny faritry ny tratrany sy ny fon’ny lehilahy iray hita faty tao Manakara Renivohitra, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra fisiana olona nitsirara vao maraina amin’ny tany. Nozahan’ny mpiray monina, lehilahy iray voatrobatrobaky ny antsy teo amin’ny manodidina ny fony ity hita nitsirara […]
Mandritsara : Rava ny tambajotra mpanao vola sandoka
Vehivavy roa sy enin-dahy voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Antsahabe avaratra, kaominina Mandritsara, omaly maraina. Nahatratra mpangalatra ny fokonolona teo amin’ny fokontany Ambalanantsotry, io talata maraina io. Natahotra mafy ny ainy sy iharan’ny fitsaram-bahoaka, nitoroka ireo namany sy mpiray tsikombakomba taminy io lehilahy io. Nikasa hanaparitaka vola sandoka tao […]
Avy nivarotra sakay: lehilahy 68 taona hita faty tapa-doha
Misesisesy ny fahafatesan’olona mampiahiahy sy feno habibiana tato ho ato. Raim-pianakaviana iray hita faty notapahan-doha, omaly. Avy nivarotra sakay tany Antsirabe izy io ary taraiky hariva teny an-dalana ka izao nisy namono izao. Raim-pianakaviana iray, 68 taona, hita faty tapa-doha, omaly vao maraina, tamin’ny lalana mankany amin’ny tanànan’Antompombohitra, fokontany soavina […]





