Tranga

Nampitandrina ny Emmo/Nat: tsy mila korontana ny vahoaka malagasy

« Ankatoky ny fifidianana isika izao, mihorohoro ny sain’ny rehetra. Eto izahay mpitandro filaminana hiaro ny andrimpanjakana sy ny vahoaka », hoy ny lehiben’ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara. Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Manoloana izany indrindra, nampitandrina ny teo anivon’ny Emmo/Nat (Etat-Major mixte […]

Oniversite Fenoarivo Atsinanana : tratra ireo jiolahy namaky ny tranona mpiasa

Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Fenoarivo Atsinanana, afakomaly ireo jiolahy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina vaky trano ao amin’ny faritry ny Oniverisite. Voasambotry ny polisy tao Anjoba Fenoarivo Atsinanana, ny 26 aogositra lasa teo, ireto jiolahy ireto. Ny 21 aogositra 2023 hariva ta­min’ny 7 ora sy 30 mn, niha­ran’ny vaky […]

Fanafihana mitam-piadiana : voatifitry ny polisy i Johary sy i Doda

Matin’ny polisy omaly, i Johary sy Doda, voalaza fa mpanafika mitam-piadiana raindahiny. 60 Tapitrisa Ar no voaroban’izy ireo tanaty andro vitsy. Mbola misy telo lahy karohina. Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana tao Anjoma, Toa­masina Renivohitra, omaly. Teo am-pikononkononana ny asa ratsiny faninefany […]

Avy nijery lalaon’ny Nosy: tovolahy roa indray voaendaka sy voatsatoka antsy

Niharan’ny fanendahan-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana teny Ampefiloha akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be ny tovolahy roa, afakomaly hariva. Avy nijery lalaon’ny Nosy, taranja basikety, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina izy roa lahy no nifanehatra tamin’ny jiolahy. Mipetraka eny Ambanilalana Itaosy ireto niharam-boina ireto. Niandry taxi-be ho any Itaosy teo Ma­ha­masina izy ireo saingy […]