Anisan’ny mampikaikaika sy mampanahy ny mponina ny trangana fakana an-keriny amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Anisan’ny ahitana izany ny any amin’ny distrika Maevatanàna, Anjozorobe, Ankazobe, sy ny maro hafa. Ho an’ny tany Maevatanàna manokana, olona sivy, malaza amin’ny fakana an-keriny no azo sambo-belona, afakomaly tamin’ny 8 ora sy sasany […]
Tranga
Nandeha lakana: Tovolahy iray 22 taona, maty an-drano
Lehilahy iray 22 taona, avy niandriaka no maty natelin’ny rano teny Andranoro, fokontany sy kaominina Antehiroka, distrika Ambohidratrimo, afakomaly tamin’ny 4 ora sy folo minitra tolakandro. Nitondra lakana hazo ary hamonjy fodiana hihazo ny trano fonenany izy tamin’io fotoana io. Niakatra sy somary nahery ny rano teny am-pandehanany ka nivadika […]
Nanindrona compat: Mpianatra 17 niakatra fitsarana
Niakatra fitsarana teo anivon’ny ambaratonga voalohany any Toamasina, ny alatsinainy 24 febroary teo, ny antontan-taratasin’ady lah. faha-198/RP/25 IS/SJ/ARS. Izay naha voarohirohy mpianatra tsy ampy taona miisa 17 avy amin’ny sekoly tsy miankina iray tetsy Tanamakoa. Mpiray tsikombakomba tamin’ny herisetra avokoa izy rehetra ireo. Voasazin’ny lalàna famaizana, laharana faha-311 izy rehetra […]
Nanadio tsikafona teny Anosizato : Lehilahy matin’ny herinaratra tao anaty rano
Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray, omaly, teny Anosizato. Main’ny herinaratra tao anaty rano izy nandritra ny fanadiovana tsikafona teo akaikin’ny tranony. Maty, main’ny herinaratra ny lehilahy iray, 32 taona, omaly, tetsy Anjanakolahy, fokontany Anosizato Atsinanana I. Tokony ho tamin’ny 1 ora no nisehoan’ny voina, raha nanadio tsikafona, fitoerana vovo […]
Ranon’Ikopa: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosizato
Lehilahy iray, 50 taona, hita faty tao anaty ranon’Ikopa, tetsy Anosizato Andrefana, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nikasa hisasa tamin’io rano io izy no nilentika tampoka, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Nanala ny akanjo teny an-kodiny izy ary nisasa teo amoron’ny rano, ambony vato. Mbola be olona teny an-toerana tamin’io […]





