Tranga

Lehilahy mamo: Maty kilan’ny afo tao an-tranony

Nitrangana firehetana trano iray tany Mahavanona Ant­siranana II, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Tovolahy 28 taona, mamo ary tsy tafahetsika tao an-tranony no may kilan’ny afo nandritra izany. Fatin’olona efa may kilan’ny afo tanteraka sy niondrika teo amin’ny sisim-pandriana no hitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra. Afon-tsigara no mety ho antony […]

Ambodiafontsy Ampitatafika : Tokantrano iray voatafika, mitotaly 16 tapitrisa Ariary ny entana very

Nitrangana fanafihana tokantrano iray tetsy Ambodiafontsy Ampiatatafika, afakomaly tamin’ny 8 ora sasany alina. Jiolahy roa lahy tsy nisaron-tava no niditra an-keriny tao an-trano, ka nandroba ny entana sy namono ny tovolahy iray 18 taona. Nitondra bar à mine ireo olon-dratsy, niditra nanainga moramora ny varavarana niditra ny trano. Fotoana tsy […]

Takalonaina tany Bemanevika: Votsotra teo an-tanan’ny jiolahy ny mpiambina

Votsotra teny an-tanan’ireo dahalo enin-dahy, nampiasa fitaovam-piadiana sy misaron-tava ny lehilahy 24 taona, mpiambina ny orinasa iray any Bemanevika, Bevon­drona, fokontany Malama­maina, kaominina ambanivohitra Brieville, distrika Tsa­ratanàna, afakomaly tamin’ny 8 ora alina. Tafaporitsaka avokoa ireo dahalo enina voalaza ireo, nandritra ny fifanjevoana tamin’ny mpitandro filaminana tonga nandrava ny asa ratsiny […]

Toamasina : Miverina indray ny fitsaram-bahoaka

Amin’ny ankapobeny, manomboka miverina indray ny fitsaram-bahoaka any Toamasina, amin’izao fotoana izao. Kivy amin’ny trangan-javatra ataon’ny fitsarana ny vahoaka satria votsotra avokoa ny ankamaroan’ny olon-dratsy rehefa avy notsaraina. Misy ihany koa ireo tafavoaka ny fonja fa tsy mipetraka ela any, raha ny zava-misy. Miverina mandrahona ny mponina sy ny mpitory […]