Noraisim-potsiny tao anaty alan-goavy ny jiolahy nangalatra moto tao Antahikihady/Fidanana, Ambohimalaza, ny sabotsy lasa teo. Natosiny mangingina ny moto marika Kymco iray tao amin’ny Escale Ambohimalaza nanamorona ny lalam-pirenana faharoa. Nanao fitarainana ny tompon’entana. Nikaroka avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hitan’ny tsara sitrapo io lehilahy izay nanosika ilay moto halatra […]
Tranga
Isotry : mpamaky trano tratran’ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), teny Manarintsoa Anatihazo Isotry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Nahazo antso tamin’ny vondron’ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Anatihazo Isotry ny polisy (CSP4) momba ny fisian’ity jiolahy iray namaky trano ity. Tsikaritry ny tompon-trano ny asa ratsy nataony tamin’io fotoana […]
Rangahy naiditra am-ponja : nanolana zaza vao herintaona sy tapany
Nidoboka am-ponja rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny raim-pianakaviana nanolana zazakely iray taona sy tapany tao Moramanga. Potika tanteraka ny fivavian’ilay niharam-boina… Naiditra am-ponja vonjimaika ny raim-pianakaviana iray nanolana zaza tao amin’ny fokontany Amparafara, kaominina Ampasipotsy gara, distrikan’i Moramanga, ny faran’ny herinandro teo. Nanararaotra ny tsy fisian’ny olon-dehibe tao amin’ny […]
Nafenina tanaty gony : basy kalachnikov sy basim-borona roa hitan’ny zandary
Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina anaty lavaka tao Tsipangalava fokontany Miadampaonina, kaominina ambanivohitr’Ambandrika, afakomaly. Nahitana fitaovan-dakozia toy ny sotro sy vilia ary vilany nofehezina anaty lamba koa niaraka tamin’ireo fitaovam-pidiana ireo. Fantatra, araka ny fanazavan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny […]
Ambohimanga Rova : jiolahy valo nandroba 500 000 Ar
Lasan’ny jiolahy valo lahy nitam-piadiana ny vola 500 000 Ar mahery tao amin’ny fokontany Malaza, kaominina Ambohimanga Rova, ny alin’ny zoma 25 aogositra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ireo olon-dratsy. Nitaky vola sady nampiasa hery tamin’ireo lasibatra izy ireo. Nokorontanin’ny jiolahy ny trano. Nodarohany ka naratra vokatr’izany ny […]