Tranga

Andranonakanga : jiolahy roa indray maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy nampian’ny zandary sy Tafi­ka tao amin’ny fokontany Tanambao SPM, kaominina Maintirano, afakomaly alina, ny jiolahy roa. Jiolahy iray hafa azo sambo-belona. Ny 18 aogositra lasa teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Tanambao. Nanokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka fantatra tamin’izany fa avy ao Andranonakan­ga, kaominina Mafaijijo […]

Fandriana : taksiborosy nivadika, olona iray maty

Sesilany ny lozam-pifamoivoina amoizana ain’olona eny amin’ny lalam-pirenena. Taksiborosy iray tra-doza tampoka tao Talata Iary, kaominina ambanivohitr’i Sandra­dahy, distrikan’i Fandriana, omaly. Olona iray maty tsy tra-drano, olona 15 naratra mafy. Taksiborosy avy any Fianarantsoa hihazo an’i Fandriana izy ity kanjo tra-doza tampoka. Nivadibadika tany anaty hantsana. Potipotika tanteraka ity fiara […]

Fakana an-keriny: telo lahy voatifitra, avotra ny takalonaina

Rotiky ny bala ny jiolahy mpaka an-keriny telo lahy nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, afakomaly. Tratra ireo mpiray tsikombakomba. Natao hazalambo, sarona ihany ireo jiolahy mpaka an-keriny sy ny namany tao Antsipangalava, fokontany Morarano, kaominina Ambandrika, distrikan’ Ambatondrazaka afakomaly. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ireo mpaka an-keriny nahafaty olona sady naka takalonaina […]

Moto nifandona : olona roa niara-maty, roa hafa naratra mafy

Mpandeha moto roa maty tsy tra-drano teny amin’ny RN 44, PK 19+870, fokontany Maro­voay, kaominina Mora­nono gare, distrikan’i Mora­manga, omaly atoandro. Scooter nentina roa lahy avy any Mo­ramanga hihazo an’Ambaton­drazaka nifandona tampoka tamin’ny moto Honda. Nan­deha mafy ilay mpitondra moto scooter. Tsy voafehin’ity farany intsony ny familiana ka nifatratra tamin’io […]

Fisorohana korontana : hahetsika ny Emmo/Nat

Hiatrana eny an-kianja rehetra eny. Nivory maika teny Ankadilalana ny eo anivon’ny “Etat-major mixte opérationnel national – Emmo/Nat”, afakomaly alina. Anisan’ny nitarika izany ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana rehetra, notarihin’ny minisitra isany, ny Fiarovam-pirenena, ny Filaminam-bahoaka ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandary. Voaresaka ny fametrapetrahana […]