Tranga

Lalamby Ampefiloha: Jiolahy efatra tratra teo am-panendahana

Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy efatra mpanao sinto-mahery eny Ampefiloha sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Isotry no nahasambotra azy ireo. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ ireo andian-jiolahy manao ny asa ratsiny eny Ampefiloha. Nifanehitra tamin’ny polisy ry zalahy ireto, omaly. Naharay antso avy […]

Ankatso – mpangalatra moto : saika matin’ny fokonolona

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity jiolahy tratran’ny fokonolona nangalatra moto teny Ankatso, omaly, ity. Teo am-panosehana moto-n’olona iray teny amin’ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy no tratra. Nanamparan’ny olona ny hatezerany ilay jiolahy. Daroka, vely kibay, izany no nihatra taminy. Tsy afa-nanohitra intsony ity olon-dratsy ity manoloana ireo fokonolona efa nentin-katezerana. […]

Voahosin’ny kamiao : niara-maty ny mpamily sy ny mpanampy azy

Niara-namoy ny ainy ny mpamily sy ny mpanampy azy, afakomaly. Taraiky tao ambanin’ny kamiao namboarina izy ireo rehefa nisy fiara lehibe iray nifaoka tanaty haizina. Niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Bemasoandro, Ano­sibe Ifody, distrikan’i Mora­manga, ny mpamily iray sy ny mpanampy azy, afakomaly. Tratry ny tsy fahatomombanana ny kamiao nentin’izy […]

Anosipatrana : jiolahy telo lahy rotiky ny bala

Nataon’ny polisy hazalambo, maty voatifitra ny jiolahy telo lahy teny Anosipatrana, omaly. Malaza ratsy amin’ny fanafihana eto an-drenivohitra sady mampihorohoro ireto olon-dratsy ireto. Efa nikononkonona hanao fanafihana mpamongady iray teny amin’ny manodidina io fokontany io izy ireo. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo, nidina ifotony ny polisy. Ni­fanehatra tamin’ireo jiolahy […]

Hasarotam-piaro : maty nolerany antsy ny rafilahiny

Namoy ny ainy vokatry ny tsatok’antsy ny lehilahy iray tao Analabe, fokontany Ambatolahy, kaominina Ambohinamboa­rina, distrika Ambohimahasoa, ny alin’ny talata hifoha alarobia 9 aogistra teo. Namonjy lanonana fitokanana trano ny lehilahy iray sy ny namany. Nifanena tamin’izy ireo tao an-toerana ny lehilahy iray hafa, noahiahian’izy ireo ho sakaizan’ny olon-tiany. Raikitra […]