Ahina ho novonoina, lehilahy hita faty tao anaty rano tao Mangavato, fokontany Ambohitrakely, kaominina Mahatsinjo Atsimo, ny 16 novambra teo. Natsingevan’ny rano, hitan’ny iray amin’ny mponina ao an-toerana io fatin’olona io. Nampandre ny zandarimaria avy hatrany ny ben’ny Tanàna. Nakarina an-tanety ilay vatana mangatsiaka ka voamarina fa notriarina tamin’ny zava-maranitra, […]
Tranga
Mamon-drongony : maty novelesin’ilay tovolahy ny hazo ny rainy
Zanaka indray ity no mahafoy ray aman-dreny! Nampihoron-koditra ny fihetsika feno habibiana nataon’ny tovolahy iray tao amin’ny fokontany Basindrano, teo amin’ny sampanana Ambodisaina, ny sabotsy teo. Maty novonoiny tamin’ny fomba feno habibiana ny rainy, mpiasan’ny seranan-tsambo misotro ronono 72 taona, niteraka azy. Potika tanteraka ny lohany ka tsy nisy namantarana […]
Andrefan’i Mananjara : jiolahy tratra teo am-pihomanana hanafika
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, tao amin’ny fokontany Andrefan’i Mananjara, omaly, ireo jiolahy telo voarohirohy amina fanafihana mitam-piadiana. Teo am-panomanana hanao ny asa ratsiny ry zalahy no tonga tampoka ny polisy nisambotra azy ireo. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireo jiolahy mpampihorohora […]
Nandeha nilalao dia tsy hita: novonoina, natao tanaty gony ny fatin’i Miley
Novonoina sy natao tanaty gony ny vatana mangatsiakan’i Miley, zazavavikely vao fito taona. Nilaza i Alista Rossina, raibeny fa nivoaka hilalao no nialany tao an-trano, afakomaly. Mangana ny fihirifany, ny hatony, ny kibony ary tapaka ny tanan’i Miley kely, zazavavy 7 taona, hita faty tao atsimon’ny Lycée Raherivelo Ramamonjy, fokontany […]
Olona iray maty : moto nifandona tamin’ny taxi-be
Moto iray nitondra olona roa no nifandona tamina taxi-be iray mampitohy an’Anosy sy Imerintsiatosika. Nampivarahantsona ny zava-nisy teny an-toerana. Satria, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra ilay moto raha nipitika mihitsy ny tongotr’ilay tovovavy sakaizany nipetraka tao aoriany. Voalazan’ ireo olona nanatri-maso ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, nandeha mafy […]




