Mpampihorohoro ireo mpandeha an-tongotra hariva eto an-dRenivohitra, mpanendaka telo lahy tra-tehaka. Nifanenjehana! Saron’ny polisy ny jiolahy telo, tetsy 67 ha, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fisiana asa fanendahana miharo fandratrana eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be 67 ha. Nanao hetsika manokana ny polisy ka samy nanao fanamiana sivily. Nandritra ny fisafoana, nifanehatra tamin’ny […]
Tranga
Mandraka: tratra ireo jiolahy mpangalatra vy amin’ny pylone-n’ny Jirama
Tratra, ny sabotsy teo ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra vy tamin’ny pylone faha-82 mitondra ny herinaratra mahery vaika avy ao Mandraka mihazo ny foibem-pihaonan’ny tambajotram-pifandraisana ao Ambohimanambola. Tazonina anaovana famotorana ao amin’ ny borigadin’ny zandary ao Ambohimanambola ireto jiolahy ireto. Hatolotra ny fampanoavana kosa izy ireo aorian’ny […]
Nikasa hanafika : maty voatifitry ny zandary i Bilidogy
Ravan’ny zandary ny fanafihana mitam-piadiana nokasaina jiolahy hotanterahina tao Analamiranga, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrika Miarinarivo, ny 12 jolay teo. Nivezivezy teny amin’io fokontany io ry Bilidogy sy ny namany. Tsikaritry ny fokonolona anefa ireto olon-dratsy ireto. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ireo tompon-tanàna. Raikitra ny vela-pandrika. Vokany, voasambotra […]
Nifandona tamin’ny Karandalana : mpitondra moto roa maty tsy tra-drano
Nandriaka indray ny ra teny amin’ny RN4. Mpitondra moto roa niara-maty raha nikasa hiakatra aty an-drenivohitra. Nifandona tamina karandalana iray… Namoy ny ainy teo no ho eo ireo roa lahy mpitondra moto tra-doza teo Manakambahiny, anatin’ ny kaominina Anosiala, PK 23 + 950, RN4, afakomaly. Nikasa hiakatra hihazo ny Renivohitra […]
Nandratra raim-pianakaviana : hampiakatra ny raharaha ilay lasibatra
Niakatra fampanoavana, ny alarobia teo, ilay lehilahy tompon’antoka tamina fandratrana raim-pianakaviana iray, teny Antanety Atsimo Ambohimanarina. Nivoaka ny didy ka voaheloka sazy mihantona dimy taona miampy onitra 10 tapitrisa Ar ity nahavanon-doza ity. Tsy ara-drariny ilay didim-pitsarana fa sazy mihatra fanagadrana am-ponja no nandrandrain’ny fianakavian’ilay niharam-boina kanefa sazy mihantona no […]