Tranga

Tratran’ny vela-pandrika : zandary roa maratra, jiolahy maty voatifitra 

Zandary roa naratra, vokatry ny fianjerana tamin’ny moto teny Anjanadoria, Ambohidratrimo. Tafiditra tamin’ny fandrika nataon’ny jiolahy izy ireo. Iray tamin’ireto farany kosa maty voatifitra. Naratra vokatry ny fianjerana tamin’ny moto ny kaomandin’ny brigadin’ Ambohidratrimo sy ny mpiara-miasa aminy iray, afakomaly maraina. Tafiditra tanatin’ny vela-pandrika nataon’ny jiolahy mpaka an-keriny izy ireo, […]

Antsakaviro : lehilahy tratra nangalatra tao anaty fiarana Jeneraly

Efa tsy mifidy hangalarina intsony! Voasambotra ny mpangalatra telefaonina nifahana tao anaty fiarana manamboninahitra iray teny Antsakaviro, omaly. Noraisim-potsiny teo am-pisokirana finday tao anaty fiara an’ny ma­nam­boninahitra iray ny mpandroba iray tetsy Antsakaviro, Boriborintany fahatelo, omaly. Nipetraka amoron-dalana ny fiara ka tsikaritry ny polisy ny fisian’io lehilahy io tao anatin’ […]

Maty voatsatok’antsy : mpamily citerne efa noviravirain’ny biby

Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina indray teo anoloan’ny toeram-pivarotana iray amin’ny lalana rarivato, An­kirihiry Toamasina, ny alarobia maraina teo. Tovolahy vao 27 taona ity nisy namono ity. Raha ny fitsirihana nataon’ny dokotera eo anivon’ny BMH, tsatok’antsy efatra no hita tamin’ny vatany, teo amin’ny tratrany sy ny sandriny havanana. Navelan’ireo nahavanon-doza teo amin’ny […]

Vonoan’olona feno habibiana : mpiandry osy hita faty voatapa-doha

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny telo lahy nanapa-doha tovolahy iray tao Amboasary Atsimo, afakomaly. Tovolahy iray 19 taona, mpiandry osy iray maty novonoin’ny jiolahy tamin’ny fomba feno habibina tao amin’ny kaominina Ifotaka, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Mpamboly sy mpiompy ity niharam-boina ity ka teo am-piandrasana osy no nisy nikapa tamin’ny zava-maranitra ny lohany. […]