Tranga

Taksiborosy tra-doza : mpandeha telo namoy ny ainy, vehivavy iray voa mafy

Taksiborosy roa, miasa amin’ny zotra samihafa no nilatsaka anaty hantsana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany, Olona telo namoy ny ainy, Am-polony manaraka fitsaboana. Ny tranga iray, nampihoron-koditra ny mpampiasa ny lalam-pirenena fahafito, teo Ambohimaha, anatin’ny kaominina Alakamisy Ambo­himaha, ka nahafatesana lehilahy iray. Maty voapotsitry ny fiara raha nikasa ho any Fi­anarantsoa. […]

Trafikan-jaza: haondrana any Co­mo­res ny lasibatra

Naiditra am-ponja vonjimaika ny teratany kaomorianina roa, voarohirohy ho tompon’antoka tamina fikasana hanondrana an-tsokosoko zazamenavava hihazo ny Nosy Como­res. Olona enina izy no ao anatin’ity tambajotrana mpanao trafikana zazakely ity. Nahasambotra azy ireo ny polisy miasa ao amin’ny “service central des enquêtes spécialisées”, Anosy. Ny 1 jolay lasa teo, saika […]

Mpampandro jiolahy: voasambotra i Rasta, mpilalao ody ratsy

Tra-tehaky ny zandary teny Ankadikely Ilafy i Rasta. Sady mpilalao no mpamatsy ody ratsy ny jiolahy eto an-drenivohitra. Mpidoroka sy mpivarotra zava-mahadomelina koa. Ela nikarohana azy ny mpitandro filaminana. Voasambotra tao an-tranony, teny Ambohibe, kaominina Ankadikely Ilafy, i Rasta,ny zoma lasa teo. Na­tolotra ny fampanoavana ny ampitso ihany. Nidoboka am-ponja avy hatrany afakomaly. […]

Efa nosakanan-janany: renim-pianakaviana hita faty tao anaty tatatra

Ramatoa 37 taona, na­moy ny ainy, tetsy amin’ny fokontany Manjaka Ilafy, omaly maraina. Niala ny trano ny harivan’ny alakamisy teo, efa nosakanan’ny zanany izy. “Hitaky vola aman’olona no nialany tao an-trano tamin’ny 5 ora hariva”, hoy ny fanazavan-dRakotonarivo Njaka, andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany. Niandry ny fiverenany ilay zanany. Tsy hita […]