Tranga

Mpangalatra finday: nilaza ho nirahin’ny kalanoro

Saika niala hatramin’ny mahalehilahy! Niditra tao amina tsena iray tao Amba­tondrazaka renivohitra ny mpangalatra iray, omaly tolakandro. Somary variana ny tompon-tsena ka nofaohin’ity lehilahy ity ny finday raitra niranty. Tsikaritry ny olona anefa ny fivoahan’ity olon-dratsy ity. Nitondra ny finday raitra, nifanotofan’ny daroka nataon’ireo olona manodidina izy. Nentin’ny hateze­rana, efa […]

Fitsaram-bahoaka: mpangalatra roa lahy maty voadaroka

Naratra mafy vokatry ny daroky ny fokonolona, maty tsy tra-drano ireo mpangalatra roa lahy tra-tehaka tao Ambo­hi­bary, kaominina Ambodi­rina, distrikan’Antanifotsy, omaly maraina tamin’ny 02 ora. Tsy nanampo ny fisian’ny mpiambina, raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpanga­latra sy ireo tompon’entana nangalarina. Nentin’ireo olon-dratsy tamin’ izany ny kisoa, vorono ary hatramin’ny dokotra. […]

Ikalamavony : mpitrandraka vato maty nihotsahan’ny tany

Telo herinandro nisian’ny fihotsahana niteraka fahafate­san’olona tao Ambatofinan­drahana, mpitrandraka vato iray indray no namoy ny ainy tao Ika­lamavony, ny faran’ny volana teo. Nifampitadiavan’ireo na­many ny mpitrandraka vato iray, namoy ny ainy vokatry ny fihotsahan’ny tany tao amin’ny kariera iray anatin’i Bevahon­drano, fokontany Mananata­nana, kaominina Ikalamavony, ny 30 novambra teo. Tamin’ny […]

Basy tsy ara-dalàna: lehilahy vao avy nigadra tratra

Tsy mety fay! Voasambo­try ny zandarimaria, ny alarobia teo, i Naivobe, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Antanifotsy. Mpa­merin-keloka ny lehilahy ka izao tratra nitazona basy tsy ara-dalana izao. Ny alatsinainy teo, nahazo vaovao ny zandary ao an-toerana fa monina ao Andavabiby, fokontany Mora­rano ny lehilahy. Ny alarobia teo, nidina […]

Mpivarotra “méthamphétamine”: voasambotra ilay vehivavy vao nivoaka ny fonja

Tra-tehaky ny polisim-pirenena, afakomaly ilay tambajotra mpivarotra rongony mahery vaika “métham­phetamine” eto an-drenivohitra. Efa nigadra ny iray tamin’ireo vehivavy mpivarotra izany. Tra-tehaky ny polisy in­dray ilay vehivavy mpivarotra rongony mahery vaika sy ireo ekipany eto an-drenivohitra. Voasambotra ta­mina trano iray tetsy Tsia­zotafo, ny alakamisy teo, ireto jiolahy ireto. Sarona nandritra […]