Tranga

Ampitatafika : tratra ny jiolahy mpamaky trano

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo teny Soavimbahoaka Ampitatafika, omaly, ny andian-jiolahy mpamaky trano. Nahazo fitarainana mialoha avy amin’ny mponina manodidina ny zandary momba ny fisiana andian-jiolahy mifoka zava-mahadomelina. Nidina teny an-toerana nitobian’ireto jiolahy ireto ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’izany. Nahatrarana fonosan-drongony teny amin’ireo jiolahy nandritra […]

Fiara 4X4 tra-doza : Polisy iray namoy ny ainy

Lehilahy iray maty ary roa naratra mafy teny amin’ny lalam-pirenena faha-34, tsy lavitry ny tetezan’i Sahalombo, distrikan’Antsirabe I, omaly maraina. Mpitandro filaminana ity niharan-doza ity. Raim-pianakaviana iray namily fiara namoy ny ainy nandritra ny lo­zam-pifamoivoizana tamin’iny RN 34 iny, tao amin’ny fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe voalohany, omaly vao mangirandratsy. “Avy any […]

Ambodinisotry : trano hazo dimy may

Kilan’ny afo ny trano hazo miisa dimy tetsy Ambodinisotry, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny sampana mpamonjy voina. Nanomboka tamin’ny 2 ora sy 19 minitra ny firehetana. Nifehy ny afo tsy hiparitaka tamin’ny manodidina ny mpamono afo. Naharitra ora roa sy sasany ny faharetan’ny famehezana ny afo. […]

Resitory ny mpamily : Kamiaobe roa nifandona

Trano lehibe iray no notrongisin’ny kamiaobe iray feno entana tao amin’ny fokontany Beteheza, kaominina ambanivohitr’Analavory, distrikan’i Miarinarivo faritra Itasy (RN1), omaly maraina tamin’ny 4 ora sy 30 mn. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, resintory tampoka teo ambony familiana ny mpamilin’ny kamiaobe iray tany amin’ny ankavanan-dalana ka nifatratra tamin’ny […]