Tranga

Mangarivotra – Toamasina : manjavozavo ny nahafaty ny GHC Fataka Denard

Mampiahiahy! Namoy ny ainy tamin’ny fomba somary manjavozavo, ny alin’ny zoma teo, tao Mangarivotra Toamasina, ny zandary iray mitondra ny galona GHC Fataka Dernard, 42 taona (nivoaka tamin’ny andiany faha-67 tao amin’ny EGNA, manan-janaka efatra mianadahy) mpanao basikety malaza ao amin’ny Ascut. Tamin’ny voalohany, lazaina fa maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana […]

Lehilahy nitondra: « rôrô » tanaty tranon’afokasoka

Mahita hirika foana ! Voa­sambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7), teny amin’ny faritra IVO Antoho­madinika Atsimo, afakomaly, ny lehilahy iray niaraka ta­min’ny zava-mahadomelina mahery vaika. Loha­ranom-baovao no nahafantaran’ny polisy momba ny fisian’olona mivarotra sy midoroka zava-mahadomelina mahery vaika eny Antohomadinika Atsimo. Tsy niandry ela ny polisy fa […]

Ambohitrarahaba: mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Nampihoron-koditra ! Niparitaka eran’ny arabe ny atidohan’ny raim-pianakaviana iray voahitsaky ny kamiaobe teny Ambohitrarahaba, afakomaly… Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Ambohitra­rahaba, afakomaly tolakandro. Raim-pianakaviana iray nitondra bisikileta no maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao. “Nanaraka ilay kamiao avy aoriana izy”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Poa toy izay, nidoboka tampoka ka lavo tamin’ny arabe. […]

Nirefodrefotra ny basy…: maty voatifitry ny polisy i Tojokely sy i Paul

Lavon’ny balan’ny polisy, nandritra ny fifandonana, omaly, tao an-tanànan’An­tsi­rabe i Tojokely sy i Paul. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra. Naharay an­tso avy amin’ny lasibatra ny polisin’ny UIR Antsirabe fa misy olona niharana fanendahana niampy vono. Nilaza ho nahita ireo jiolahy tompon’ antoka tamin’izany izy. […]

Nandratra olona : miaramila enina anaovana fanadihadiana

Miatrika fanadihadiana lalina eny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava (Secres) Fiadanana, ireo miaramila enina tompon’antoka tamin’ilay fandratrana olona niampy daroka, teny Avara­doha. Enina ihany koa ireo mpitory amin’ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Secres. Efa nitondra fanazavana rahateo koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) manoloana ny […]