Tranga

NOHO NY HASAROTAM-PIARO: Roa lahy voadaroka teny Ambatonakanga

Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny mpiasa tao amina toeram-pandihizana iray eny Ambatonakanga ny teratany frantsay roa lahy sy Malagasy roa lahy, ny alin’ny sabotsy teo. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo, niharan’ny fampihorohoroana ara-tsaina sy herisetra ara-batana ireto niharam-boina ireto. Ny mpiasa sady mpitantana tao amin’io toeram-pandihizana io ihany no […]

Vokatry ny lonilony : lehilahy maty voakapa antsibe

Nokapain’ny olon-dratsy antsibe teo amin’ny tavany, simba tanteraka ary namoy ny ainy ny lehilahy iray mpivarotra amina tranombarotra tao amin’ny fokontany Ivoloina, kaominina Antetezambaro, kaominina Toamasiana II, ny sabotsy 23 novambra lasa teo. Nihazo ny sahany io lehilahy io talohan’ny handehanany hivarotra. Narahin’ny tsy mataho-tody avy aoriana anefa izy. Tsy […]

Lehilahy nolerana zava-maranitra: atidohan’ilay vono olona ny rahalahiny

Tra-tehaky ny zandary ireo telo lahy ahina ho namono olona tao Mantasoa, tamin’ny zoma. Voalaza ho atidohan’ izany ny rahalahin’ilay lasibatra, izay mbola nihosin-dra ny tanany. Nahitan’ny mpitandro fila­minana ra nihosona, afakomaly, ny tanan’ny lehilahy iray izay rahalahin’ny olona hita faty tao amin’ny fokontany Anjozoro, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Nitrangana […]

Nofonjaina eny Antanimora : Jiolahy tratra nilanja ilan’omby

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antani­mora, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra omby. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, noho ny firongatry ny halatra omby. Ny 22 novambra 2024 tamin’ny 2 ora maraina, jiolahy iray tratra nitondra henan’omby iray manontolo tao Ambo­hibao, […]

Bel’Air -Talatamaty : mpitaingina kalesa maty voahosin’ny kamiao

Nipotsaka ny atidohany, niparitaka tamin’ny arabe ny vatany, ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray teny amin’ ny fokontany Amborompotsy- Bel’Air, kaominina Tala­ta­maty, ny marain’ny sabotsy 23 novambra teo, tamin’ny 11 ora. Mpandalo eny amin’io lalana io ity tra-doza ity. Nitaingina tao anatin’ny kalesa ilay lasibatra, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. […]