Voasazy higadra dimy taona, sazy mihatra, ireo mpamono olona roa lahy, namono sy nanolana olona samihafa. Izay ny vokatry ny fitsarana azy ireo, tao amin’ny fitsarana ambony, sampana misahana ny ady heloka bevava Toamasina, ny talata 19 novambra teo. Tsy tonga niatrika ny fitsarana izy ireo ka namoahana didy fampisamborana. […]
Tranga
Andrefan’Ambohijanahary: telo mianaka maty nianjeran’ny trano
Telo mianaka namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny tamboho tamin’ny tranon’izy ireo, teny Andrefan’ Ambohijanahary. Nandritra ny orambe no nisehoan’izany, afakomaly vao maraimbe. Niara-maty, nianjeran’ny trano fonenan’izy ireo teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly, ny olona telo mianaka. Renim-pianakaviana 68 taona sy ny zafiny roa lahy, 18 taona sy 21 taona izy ireo. […]
Analakinina Hopitalibe : tranona kolonely indroa nidiran’ny jiolahy
Fahasahiana sy fihantsiana izay no azo ilazana azy! Trano hofaina kolonely iray ao amin’ny fokontany Salazamay Atsimo, mifanila elanelan-dalana fotsiny amin’ ny tobin’ny zandary Salazamay no lasibatry ny asan-jiolahy tato ho ato ary efa indroa, raha ny angom-baovao. Ny voalohany, tafiditra tao an-tokantrano ireo jiolahy ary efa teo am-pitaterana entana toy ny […]
Mpitsoa-ponenana : Sambo nitondra somalianina rendrika tao Nosy Iranja
Rendrika tao amin’ny fari-dranomasina ao Nosy Iranja, omaly, ny sambo nitondra teratany somalianina. Efa natsingevan’ny rano ny sambo nitondra azy ireo sady efa nahitana olona maty koa tao anatiny. Nahita izany ny sefo fokontany ao Nosy Iranja, kaominina ambanivohitr’i Bemanevika Andrefana, distrikan’ Ambanja, ka nampandre haingana ny zandary avy ao […]
Ivato : Vehivavy nahatrarana rongony 38 fonosana
Renim-pianakaviana mpivarotra rongony voasambotra tao Ivato K5, omaly. Naharay fampandrenesana ny mpitandro filaminana fa misy ramatoa manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Lasibatry ny voka-dratsy ateraky ny fisiana andian-tanora midoroka io karazan-java-mahadomelina io ny mponina manodidina. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola. Sarona tao […]





