Tao anatin’ny alina iray, olona roa indray namoy ny ainy niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray voatondro ho nangalatra tao Ankirihiry ny iray tamin’ ireo maty nodarohan’ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy 15 avrily teo tao Toamasina. Voasambotra, tsy nisy alaharo ny an’ireo manodidina fa nidaroka niampy […]
Tranga
Ampangabe : vehivavy nitondra vola sandoka 2 800 000 Ar
Noraisim-potsiny! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe, tao amin’ny fokontany Soamanjaka, kaominina Ampangabe, omaly, ny vehivavy nitondra vola sandoka 140 isa amin’ny ravim-bola 20 000 Ar, izay mitentina 2 800 000 Ar. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, saika nividianany entana tamin’ireo tantsaha mpamboly eny amin’ iny kaominina iny ireto vola […]
Fiara vaky kodiarana : mpianatra nanao « voyage d’étude » niharan-doza
Niharan-doza ny taksiborosy nitondra mpianatra avy amina oniversite tsy miankina iray eto an-dRenivohitra, teo amin’ny tetezana hidirana an’ Andranofasika, anatin’ny RN4, PK 451 +600, ny alin’ ny sabotsy 15 avrily teo. Vaky ny kodiaran’ny fiara rehefa nihodina ny fiolanana mihazo an’Antananarivo izy ireo. « Nitsefotra ny kodiarana havanana », hoy ny […]
Analakely : ankizy 8 sarona nangarom-paosy
Nanararaotra ny fitangoronan’ny olona, noraisim-potsiny teo Analakely, ny tontakely valo lahy, ny harivan’ny alahady teo. Nandritra ny fampisehoana goavana teo amin’ny Araben’ ny Fahaleovantena, tomefy olona ny lalana. Niandry kendry tohina ireo mpijery fotsiny izy valo mirahalahy ireto ary nanao ny asa ratsiny. Tetsy ankilany, ankoatra ny fifehezana ireo olona […]
Fitsaram-bahoaka : olona roa matin’ny tora-bato sy vely kibay