Tranga

Jiolahy iray voatifitra: Basy roa sy bala 10 tratra

Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao Ankofafalahy Fianarantsoa, omaly tamin’ny 1 ora maraina ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nifanehatra tamin’ireo polisy nanao fisafoana ny tanàna ity jiolahy ity, saingy tsy nanaiky hosavaina fa nitifitra avy hatrany. Raikitra teo ny fifamaliana tifitra teo amin’ilay jiolahy sy ny polisy. Rotiky ny […]

Minisitry ny Foloalindahy : « Tsy maintsy hapetraka ny filaminana sy ny fandriampahalemana »

Namory ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Etamazaoro ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin omaly, teny Ampahibe. Tao anatin’izany no na­naovana tombana ireo asa vita. Hentitra ny toromarika nomeny amin’ny tsy maintsy hametrahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana maharitra eto Madagasikara, satria […]

Anosibe Tsena : mpamongady notafihin’ny jiolahy, lasa ny volabe

Nirefotra indray ny poa-basy teny Anosibe Tsena, omaly hariva. Mpamongady iray akaikin’ny tetezana mavo no lasibatry ny jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Jiolahy dimy nandeha moto no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Niditra an-keriny tao amin’ilay trano fivarotana ry zalahy sady nandrahona tamin’ny basy. Nentin’ny tahotra ireo olona tao […]

Sainte Marie : hita faty ireo roa lahy natelin’ny ranomasina

Taorian’ny fikarohana nataon’ny tafika an-dranomasina sy ny teo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitate­rana an-dranomasina sy an-dranomamy, hita omaly ny fatin’ ireo roa rendrika an-dranomasina niaraka tamin’ny lakana. Tany atsinananan’Ambodiforaha Sainte Marie no hita ny fatin’izy roa lahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. Tonga nanao fizahana ireo razana ny dokotera. […]

Voaroba teo am-bavahadiny: Karana voatsatoka antsy teo amin’ny lohany

Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ilay karana notsatohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny lohany, afakomaly alina. Lasan’ireo mpanafika ny vola teny aminy mitentina 4 tapitrisa Ar. Tsy milamina intsony ! Teratany karana iray na­ratra mafy notsatohan’ ny jiolahy ny antsy teo amin’ny lohany, afakomaly alina tamin’ ny 10 ora, tao […]