Tranga

Raharaha  Box Miami: Pasitora iray afaka noho ny fisalasalana

Ny talata 3 septambra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina  ny didim-pitsarana mahakasika ny fisolokiana sy fakana vola tsy ara-drariny aman’olona, izay anenjehana ny mpiasan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina sasantsasany. Naka vola tamina mpandraharaha mitotaly 85 tapitrisa Ariary, ho tambin’ny fanomezana anjara toerana hahazo Box  ao Miami […]

Naiditra am-ponja eny Tsiafahy: Tratra ireo jiolahy nanolana sy nanindrona antsy

Aiza ihany ilay fampiharana ilay lalàna momba ny famosirana? Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly alina, ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana ilay ankizivavy 6 taona hita faty teo akaikin’ny biraon’ny fokontany Belambanana Andoha­ra­nofotsy, ny 29 aogositra 2024 teo. Ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra […]

Fenoarivo : lehilahy iray maty an-drano

Hatairana ny an’ireo olona teny amin’ny Digue hihazo an’i Fenoarivo Alakamisy, omaly, raha nahita fatin-dehilahy iray tao anaty rano. Olona handeha hiasa vao maraina no nahita azy ka nampandre ny zandary. Nilaza ireo olona nahita ny razana fa tsy mponina eny an-toerana ity lehilahy ity. Tsy fantatra kosa hatreto izay […]

Milaza ho iraky ny fitondrana : vehivavy tratra nisoloky ho mizara Tosika fameno

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny vehivavy iray misoloky ho iraky ny fitondram-panjakana ka mizara Tosika fameno teny Ankeribe, fokontany Mandrosoa, kaominina Alakamisy Anosiala Ambohidratrimo. Olona 300 nahazahoany vola 500 Ar avy. Aza jerena amin’ny en­driny ! Na teo aza ny hatezeran’ireo olona saika hanao fitsaram-bahoaka tamin’ity renim-pianakaviana iray mpisoloky ity, voasoroky ny […]

Miadana Anjozorobe : mpaka an-keriny voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandary tao Miadana kao­minina am­banivohitr’Ambohibary Vohile­na dis­trikan’Anjozorobe, afakomaly hariva ny jiolahy iray naka an-keriny ankizivavy 9 taona. Nalaina an-keriny saingy tafaporitsaka sy afaka niantso vonjy ny lasibatra. Henon’ny fokonolona teo an-tanàna izany ka raikitra ny fifanenjehana. Voasoroka mialoha ny fikasan-dratsin’ilay jiolahy noho ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny […]