Tranga

Antaninarenina : mirongatra ny fanendahana, tontakely roa voasambotra

Tratran’ny polisy, taorian’ny fifanenjehana teny Anta­ninarenina, omaly maraina, ny tontakely roa lahy malaza ratsy amin’ny harom-paosy. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nanatonan’ny olona iray tratran’ny harom-paosy. Nilaza izy fa teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nisy nangarona ny paosiny ka lasan’ireo olon-dratsy ny findainy sy ny kara-panondrony niaraka tamin’ny vola. Nohamafisiny […]

Ambovombe: tratra ireo malaso mpanafika sady mamono olona

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Androy, tao Ambondro, distrikan’Ambo­vombe, ny sabotsy teo, ireo dahalo fito voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vono olona. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, anisan’ireo dahalo atidoha nikotrika ny famonoana an’i Manoanga tao Lamitihy, fokontany Ambon­dro, ireto dahalo ireto. Misy amin’izy ireo no […]

Antsirabe – RN7 : voamboana 14 nentina antsokosoko sarona

Saron’ny zandary nentina kamiao lehibe iray antsokosoko ny hazo sarobidy voamboana miisa 14, teo amin’ny Pk 176+200 , Vinaninkarena, Antsirabe, ny sabotsy 15 avrily teo. Nanararaotra ny andro maizina, nitondra ireto hazo sarobidy ireto ny kamiao lehibe izay mpitondra solika. Nafenin’ny mpamily tao anatin’ny kamiao ireo hazo. Efa nahazo loharanom-baovao […]

Fanafihana tetsy Ambohimanambola: namoy ny ainy ny tompon-trano, voaroba ny 1 tapitrisa Ar

Naratra mafy, namoy ny ainy, omaly maraina, ny iray tamin’ireo olona roa naratra voatafika tetsy Ambohimanambola, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Namoy ny ainy, omaly maraina, vokatry ny daroka nataon’ireo jiolahy ny raim-pianakaviana iray tompon-trano voatafika tao Ambohipeno ny alin’ny zoma teo. Tokantrano roa nifanao ambony ambany no indray […]