Maty voatifitry ny polisy tao anaty ala honko, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Teo am-pikasana ny hanafika izy sy ireo namany no nifanehitra tamin’ny polisy… Maty rotiky ny balan’ny polisin’ny UIR tao anaty ala honko ao Ambohitsabo Toliara, omaly atoandro ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Alain. Teo am-piomankomanana […]
Tranga
Ambalamanasy- Toamasina : Tovolahikely 17 taona namaky trano
Efa notaterina teto amin’ny lahatsoratry ny gazety matetika ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitr’ i Betsimisaraka. Lasa mirona any amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny famakiana trano sy ny fanendahana ireo tanora sy ankizy, ankehitriny. Saika latsaky ny 17 taona avokoa ny ankamaroan’ireo olon-dratsy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Misy aza 12 sy […]
TSELATRA
Hita, omaly, ny nofomangatsiak’ireo olona roa tamin’ny faharendrehan’ny botry iray tao Mahajanga. Niainga avy ao Mahajanga hihazo an’Ampitsompitsoka Namakia ity botry ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Zazakely roa taona ny iray amin’ireo namoy ny ainy nantsingevan’ny ranomasina. Tratran’ny polisy mpanao fisafoana ireo jiolahy roa tao Tsiroanomandidy. Ny iray nitondra […]
Maevatanana : dahalo iray maty voatifitry ny zandary
Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Bevilany tao Bekipoly Antanambao kaominina ambanivohitr’i Tsararano, distrikan’i Maevatanana, afakomaly, ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nahazo antso avy amin’ireo tanora milatsaka an-tsitrapo miady amin’ny asan-dahalo ao an-toerana ny zandary, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Voromahery Dina, momba ny fisian’ireo andian-dahalo manao […]
Nanafika fianakaviana hamadika : voatifitry ny zandary i Naivo Lava
Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Tsiazompaniry, kaominina Sabotsy Namatoana, distrikan’Ambatolampy, afakomaly, ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Naivo Lava. Teo am-piomankomanana ny hangalatra omby sy hanafika fianakaviana hamadi-drazana tamin’io fotoana io izy no maty voatifitra. Nanao savahao ny tanàna ny zandary avy ao amin’ny […]




